Ny asa sy ny Fampaherezana

FAMPIDIRANA

            Sokajy iray lehibe eo amin’ ny asan’ ny Mpiandry ny Asa sy Fampaherezana. Koa ilaina, araka izany, ny mahafantatra tsara ny momba izany.

            Izany indrindra no hatao eto amin’ ity fampianarana ity, izay ahitana izao drafitra manaraka izao :

            Voalohany, dia hampahafantarina ny atao hoe Asa sy Fampaherezana, ny fototra iorenany ary ny tanjona kendrena aminy ;

            Faharoa, dia itondrana ny fanatanterahana ny Asa sy Fampaherezana, na mialohan’ ny fotoan’ ny Asa, na mandritra ny fotoan’ ny Asa, na aorian’ ny fotoan’ ny Asa ;

            Fahatelo, dia hambara ny fomba fiasa samihafa amin’ ny fanatanterahana ny Asa sy Fampaherezana any am-pamangiana tokantrano, any amin’ ny hopitaly ary any am-panaovana Tafika Masina.

  1. NY FOTOTRA IORENANY

       1.1 Famaritana

            1.1.1 Asa

Eo amin’ ny Fifohazana, ny atao hoe « Asa », dia tsy hafa fa fanafohezana ny hoe « Asa Famoahana demonia », izany hoe ny fanafoanana ny fanahy maloto, ny fanesorana azy avy amin’ ny olona na koa avy amin’ ny toerana mety misy azy.

            1.1.2 Fampaherezana

Eo amin’ ny Fifohazana, ny atao hoe « Fampaherezana », dia ilazana ny vavaka ombam-pametrahan-tànana ataon’ ny Mpiandry amin’ ny olona manatona azy, ka anorenana ny fampihavanana ny olona amin’ Andriamanitra sy ampiorenana ny finoany ho famonjena azy ary anolorany tena ao amin’ Andriamanitra sy ho an’ Andriamanitra.

            1.1.3 Ny fifamatoran’ ny Asa sy Fampaherezana

Tsy mahay misaraka ny Asa sy Fampaherezana: ny Asa dia fanafahana, ny Fampaherezana dia fanorenana. Tsy maintsy ravàna aloha izay tsy izy, dia ny fanjakan’ ny devoly (II Kor. 10 : 5) mba hanorenana izay izy, dia ny Fanjakan’ Andriamanitra ao amin’ ny olona (Lio. 17 : 21).

     1.2 Ny fototra iorenany

Asan’ Andriamanitra ny Asa sy Fampaherezana, koa tahaka ny asan’ Andriamanitra rehetra, dia ny Tenin’ Andriamanitra no manendry sy manorina azy.

Baiko sy fahefana omen’ ny Tompo ny mpanaraka Azy ny famoahana demonia sy ny fametrahan-tànana:

Matio 10. 1, 7-8:

Marka 6. 7:

Marka 16. 17-18:

Lioka 10. 17:

Fahefana avy amin’ i Jesosy Kristy irery ihany no ahazoana manatanteraka ny Asa sy Fampaherezana.

    1.3 Ny tanjona kendrena amin’ ny Asa sy Fampaherezana

Ny fikendren’ Andriamanitra amin’ ny Asa sy Fampaherezana dia ny hahazoan’ ny olona famonjena.

Tsy tanteraka anefa izany raha tsy amin’ ny alalan’ ny fandraisany ny Tenin’ Andriamanitra amin’ ny finoana, izany hoe tsy maintsy ialohavan’ ny Tenin’ Andriamanitra mandrakariva ny Asa sy Fampaherezana. Tsy tokony hatao ny Asa sy Fampaherezana raha tsy efa nandre ny Tenin’ Andriamanitra mialoha ny olona. Ny Asa sy Fampaherezana dia manantitra sy mampihatra izay voalazan’ ny Tenin’ Andriamanitra.

Raha ny Toriteny no mitarika ho amin’ ny Asa sy Fampaherezana, dia ny Asa sy Fampaherezana no mitaona ny olona handinika sy ho tia mandala ny Tenin’ Andriamanitra.

Raha fehezina, ny Asa sy Fampaherezana, araka ny filazan’ ny Soratra Masina, dia ”asam-pamantarana” (cf Marka 16. 17a), izay tsy inona fa fomba fiasan’ Andriamanitra anehoany ny heriny ho famonjena. Foana ny Asa sy Fampaherezana raha tsy mitarika finoana sy mampiorina ny finoan’ ny olona ka andraisany marina an’ i Jesosy ho Mpamonjiny.

  • NY FANATANTERAHANA NY ASA SY FAMPAHEREZANA

       2.1 Mialoha ny fotoan’ ny Asa

            2.1.1 Ny fiomanan’ ny mpivory

Ilaina ny manomana mialoha ny saina sy ny fon’ ny mpivory raha hiatrika ny fotoan’ ny Asa sy Fampaherezana.

Tokony hisy mpanompon’ Andriamanitra hitarika izany, indrindra raha maharitra ny fiandrasana ny fiomanan’ ny Mpiandry. Ny fanao dia ny fitarihana hira mandra-pahatongan’ ireo Mpiandry, hira izay mitondra ny fo eo amin’ Andriamanitra.

Ny fiantsoana ny Fanahy Masina sy ny fanomanam-panahy no hira atao mialoha. Voalohany amin’ izany ny hira FFPM faha-175.

            2.1.2 Ny fiomanan’ ny Mpiandry

Ny tena fanao, dia miainga hiomana ny Mpiandry raha vao manomboka ny hira faha-175.

Ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ialohavan’ ny vavaka avokoa, eny fa na dia izay heverina ho kely sy tsotra indrindra aza. Ihomehezan’ ny devoly ny ezaka sy fahendrena ary ny fanomanana rehetra atao, fa mangovitra sy mangorohoro ary mitsingidina amin’ ny seza fiandrianany kosa izy raha mahita fo mivavaka manana firaisana feno amin’ i Jesosy Tompo.

Misy vavaka intelo miantoana tsy maintsy atao amin’ izany fanomanam-panahy izany:

            1. mialoha ny hitsanganana: fanafoanana ny tena: Kristy velona no ao anaty                  (Gal. 2. 20).

                Ohatra: “Tompo ô! Foany izay maha-izaho ahy, ary aoka Ianao Kristy no ho                 velona ato anatiko. Amena”.

            2. mialoha ny hiakanjoana

Raha vao tonga ao amin’ ny trano voatokana ka hisalotra ny akanjo masina, dia tokony havesa-danja ao am-po ny tenin’ ny Apostoly hoe: “Itafio Jesosy Kristy Tompo” (Rom. 13. 14), ary tsaroana miaraka amin’ izany ny famirapiratan’ ny voninahitry ny Tompo tao an-tendrombohitry ny fiovan-tarehy (Mar. 9. 31).

Vavaka azo atao: “Tompo ô! sarony ny voninahitrao sy ny fahamasinanao aho tahaka ny anaronan’ ity akanjo fotsy ity ny tenako. Amena”.

            3. mialoha ny hilaharana hiasa

Toy ny miaramila hiatrik’ ady izao ny Mpiandry. Atao ny fandaminana ka tendrena ireo olona fito handray anjara mandritra ny fotoan’ ny Asa sy Fampaherezana:

            1 manao ny vavaka fanombohana

            4 mamaky ny Teny fanorenana

            1 manao ny Teny fampibebahana

            1 manao ny vavaka famaranana

Rehefa vita ny fitsinjarana asa, dia mitari-bavaka ny mpandrindra ny Asa. Ny vavaka atao amin’ izany dia fiantorahana amin’ ny Tompo “handray ny fahefana avy Aminy”, mba “tsy ho amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahin’ i Jehovah Tompon’ ny maro” (Mat. 10. 1 ; Zak. 4. 6).

Fanamarihana: Fahendrena, raha toa Mpiandry vahiny, ny mampiseho ny karatra maha-Mpiandry ara-dalàna azy (vita fitomboka, tsy lany daty) sy ny manontany ny fomba fanao eo an-toerana.

       2.2 Mandritra ny fotoan’ ny Asa

            2.2.1 Ny fidiran’ ny Mpiandry

Mandroso miditra am-pilaminana eo amin’ ny besinimaro ny Mpiandry, ary maka ny toerana tandrify azy. Kendrena mba tsy hivangongo amin’ ny toerana iray na ety anoloana fotsiny ny Mpiandry, fa hihahaka eo anivon’ ny mpivory rehetra araka izay azo atao. Ny mpandrindra ny Asa no mandamina izany.

            2.2.2 Vavaka fanombohana

Ny vavaka fanombohana no tena fanokafana ny Asa sy Fampaherezana.

Roa no votoatin’ ny vavaka fanombohana:

            1. fiantsoana ny Anaran’ ny Tompo mba:

                        – hihainoany ny vavaka sy hamindrany fo

                        – hanatrehany ny fotoana

                        – hombany ny asa atao, ary dia Izy mihitsy no hiasa sy hiteny

                        – hanehoany ny voninahiny sy ny heriny

            2. fitarihana ny fon’ ny olona ho eo amin’ Andriamanitra:

                        – hanatona ny Tompo, hibebaka Aminy

                        – hiandrandra ny famonjeny ary hatoky ny famelan-keloka omeny

                        – hanaiky ny fiantsoany sy ny fanirahany

                        – hanavao ny fanoloran-tena ho Azy sy ho amin’ ny fanompoana

            2.2.3 Vakiteny fampiorenana ny Asa

Teny efatra no vakina mifandimby araka izao manaraka izao:

            1. Jaona 14. 12-17

            2. Marka 16. 15-20

            3. Matio 18. 18-20

            4. Jaona 20. 21-23

(Fitadidiana ny filaharan’ ny Teny vakina: 14 – 16 – 18 – 20)

Ny mpamaky Teny voalohany ihany no miteny hoe: “amin’ ny Anaran’ i Jesosy”, fa ny manaraka dia manohy avy hatrany, ary ny mpamaky Teny farany no mamarana amin’ ny “Amena”.

Tsy tononina ny toko sy andininy, fa avy hatrany dia vakiana.

Vakiana tsara ny Teny:

  • marina araka izay voasoratra
  • mazava ny fomba fiteny sady atao mafy
  • misy aina sy fahefana avy amin’ ny Fanahy ny fanononana ny Teny

Marihina fa mahazo lafiny telo ireo Soratra Masina fanorenana ny asa ireo:

            1. mampitombo hery ny Mpiandry hiasa

            2. mamelombelona sahady ny olona mangetaheta fampaherezana

            3. mampangorohoro mialoha an’ i Satana sy ny miaramilany

            2.2.4 Teny fampibebahana sy famoahana demonia

Tsy afa-misaraka ny Teny fampibebahana sy ny famoahana demonia: ny fibebahan’ ilay olona iasana dia manafaingana sy manamora ny asa, ary ny asa no manaisotra ny sakana ho amin’ ny fibebahana.

                        2.2.4.1 Teny fampibebahana

  • Ny Teny fampibebahana dia tsy hafa fa teny fitaomana ny olona hibebaka, izany hoe hiverina amin’ Andriamanitra, hiaiky ny fahotany, hifona noho ny fahotany, hiantso sy handray an’ i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjiny ary manaiky ny asam-panavaozana sy famonjena ataony (Ezek. 18. 32 ; Asa 3. 19 ; I Jao. 5. 12)
  • Tsy Toriteny ny Teny fampibebahana fa fampiharana ny Tenin’ Andriamanitra notorina nandritra ny fotoam-pivoriana, fampahatsiarovan-tena manoloana izany Tenin’ Andriamanitra notorina izany, fitaomana ny olona hanapa-kevitra handray ny Tompo sy hanolo-tena hanaraka sy hanompo Azy manomboka izao.
  • Roa minitra fara-fahelany ny Teny fampibebahana.

Ohatra: Teny notorina: Ezek. 18. 23

Teny fampibebahana:

“Rentsika teo, ry havana, ny Tenin’ Andriamanitra manambara ny fitiavany, araka ny hafatra nampitondrainy ny mpaminany Ezekiela manao hoe: “moa sitrako akory va ny fahafatesan’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ ny alehany mba ho velona izy?”. Ambara amintsika amin’ izany fa tsy mba to fo Andriamanitra ka hitahiry heloka, eny na dia maro sy miavovona aza ny fahotana mety ho vitantsika, mety ho vitanao. Tsy mba mora Aminy ny hahavery ny olona na dia ny fanahy iray aza; tsy tonga Aho hiantso ny marina, hoy Izy, fa ny mpanota mba hibebaka; mbola mitaona antsika tokoa Izy ankehitriny, mbola miantso anao Izy amin’ izao ora izao, mbola manantitra aminao koa Izy hoe: “aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny”, “mialà amin’ ny ratsy”, “miverena Amiko” dia ho velona hianao… Mahatsiarova tena fa mbola mandray anao Jesosy, mbola vonona hanafaka anao Izy; tonga Jesosy miteny aminao hoe: “mibebaha fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra”. Koa amin’ ny Anaran’ i Jesosy manan-kery avy any Nazareta no andidiana ny asan’ ny maizina sy ny fanahy ratsy rehetra,sns…”  manomboka ny “asa famoahana demonia”.

                        2.2.4.2 Famoahana demonia

Rehefa avy niteny hoe “amin” ny Anaran’ i Jesosy manan-kery avy any Nazareta…”  ny Mpiandry nanao ny Teny fampibebahana, dia samy miteny amin’ izay ny Mpiandry tsirairay avy, ka manomboka amin’ io teny io ihany koa.

Miaraka amin’ ny fitenenana voalaza eo ambony no anaingan’ ny Mpiandry ny tànany havanana; ny tànana havia kosa mihazona Baiboly.

Amin’ ny fandroahana demonia, dia mandehandeha ny Mpiandry.

Fanamarihana:

            1. Tsy misy hira atao na feon-javamaneno tendrena mandritra ny famoahana demonia

            2. Ho an’ ny FJKM sy ny Tobilehibe Farihimena ary ny Tobilehibe Manolotrony, dia tsy misy ny Teny fampibebahana. Ny solon’ izany dia ny vavaka mialoha ny famoahana demonia, fisaorana noho ny Tenim-pahefana omen’ ny Tompo ny Mpiandry sady fanorenana ny asa tanterahina amin’ ny vahoaka

            3. Ho an’ ny FJKM sy ny Tobilehibe Soatanàna, amin’ ny fandroahana demonia, dia olona iray ihany no miteny mafy, manandra-tànana ankavanana, somary ahetsiketsika, tsy mandehandeha.

            2.2.5 Fampaherezana: vavaka fametrahan-tànana

Rehefa vita ny asa fandroahana devoly, dia manatona ny Mpiandry ny olona izay maniry hametrahan-tànana.

Ao anatin’ ny fotoan’ ny fametrahan-tànana dia mihira ny besinimaro.

Toy izao ny fandaminana sasantsasany amin’ ny fanatanterahana ny fametrahan-tànana:

  • Raha mbola azo atao koa dia tokony handohalika ny olona ametrahan-tànana. Raha misy anefa olona maniry hametrahan-tànana nefa tsy afaka mandohalika noho ny antony samihafa, dia akekezina eo amin’ ny toerana misy azy izy mba hametrahan-tànana.
  • Ny mpanompon’ Andriamanitra (Pastora, Mpiandry) izay manao akanjo masina dia tsy manatona Fampaherezana
  • Anjaran’ ny mpandrindra ny Asa ny mandamina ny olona tsy hitangorona amin’ ny Mpiandry iray
  • Amim-pahanginana tsara no andraisana sy ihainoana ny Fampaherezana. Tsy mihira na miteny mihitsy ny olona mandray Fampaherezana, fa manaraka am-po izay lazain’ ny Mpiandry aminy;
  • Tsy maintsy apetraka eo an-tampon-doha ny tànana, fa tsy eo amin’ ny soroka na amin’ ny toeran-kafa. Tsy azo atao ny manindry na manozongozona lohan’ olona. Fadio ny mamelaka tehamaina na mamely totohondry ny marary
  • Vavaka no atao, ka tokony hikimpy ny mpametra-tànana sy ny ametrahan-tànana
  • Ferana tsy hihoatra ny roa minitra ny vavaka atao mba tsy hanasatra olona
  • Raha misy demoniaka ilàna fifanampiana, dia miara-miasa eo ny Mpiandry maromaro. Azo atao tsara ny miara-miteny na ny mifandimby mamoaka demonia
  • Ny Fitsipika anaty an’ ny Fifohazana FFPM dia mametra ireto teny manaraka ireto ho teny tokony ho hita ao anaty vavaka fametrahan-tànana ho fampaherezana ny olona:

            1. Amin’ ny Anaran’ i Jesosy

            2. Voavela ny helokao

            3. Raiso ny Fanahy Masina

            4. Ho aminao ny fiadanana

            5. Amena

  • Mizara roa miavaka tsara ny fandehan’ ny vavaka fametrahan-tànana:

            1. mitodika amin’ Andriamanitra, izany hoe manatona sy miantso an’ Andriamanitra ary mitondra ilay olona ho eo Aminy, mamboraka ny hetahetany   sy ny faniriany ary mitalaho famindrampo ara-pinoana

            2. mitodika amin’ ilay olona: famotsoran-keloka, fanasitranana, fanomezana ny        Fanahy Masina sy fampiorenana ara-pinoana

  • Rehefa vita ny Amena, dia mitsangana moramora mamonjy ny toerany ny avy nametrahan-tànana, ary mivavaka mangina.

Ohatra:

“Amin’ ny Anaran’ i Jesosy manan-kery avy any Nazareta no ametrahako ny tànako eto ambony lohanao ary fahefana avy Aminy no ahazoako manao izao asa masina izao.

Mitodika amin’ Andriamanitra:

“Ry Jesosy Kristy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao ô, Hianao no nahary izao rehetra izao, ary efa nomena Anao ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Nambaranao taminay koa tamin’ ity andro ity ny fitiavanao izay mbola iantsoanao anay mpanota, araka ny Teninao manao hoe: “tsy ho avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka”. Tonga eto ity mpanomponao nandre ny antsonao sy ny toky nomenao fa “izay rehetra manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy”, ary “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,…”. Koa dia ampio ry Jesosy ô, ity olonao mitady Anao, miandrandra ny famonjenao; mamelà ny helony ary koseho ny tsy fahatanterahany rehetra teo imasonao; havaozy ny fony noho ny haben’ ny fiantranao, valio ny hataka ataony Aminao ary tanteraho ny fikasan’ ny fony ao Aminao. Ho Anao Andriamanitra Tompo ny haja sy ny voninahitra, izay efa Anao hatramin’ ny taloha ary ho mandrakizay.

Mitodika amin’ ny olona:

“Ry rahalahin’ ny Tompo! Ny Tompo Jesosy Izay efa niantso sy nifidy anao no mamindra fo aminao. Voavela ny helokao amin’ ny Anaran’ i Jesosy. Raiso ny Fanahy Masina hanamasina anao, hanolo-tsaina anao, hampianatra anao ny marina rehetra, hanananao fiainana mandrakizay. Mahereza sy mahatanjaha ary mahefà be amin’ ny asan’ ny Tompo. Jesosy no hampahery sy hiaro anao amin’ izay rehetra ataonao sy alehanao, ary ho tanterahiny ny fanirianao, ho voninahitry ny Anarany. Ho aminao anie ny Fiadanan’ ny Tompo. Amena”.

Ohatra Fampaherezana zaza:

“Efa niteny Hianao Jesosy: “avelao ny zaza hanatona Ahy fa an’ ny toa azy ny Fanjakan’ ny lanitra”. Tahio ity zaza ity mba hitombo tena, hihahery, handroso fitia ao Aminao Andriamanitra”.

Ohatra Fampaherezana tanora:

Jesosy Sakaizan’ ny tanora hianao, arovy ny tanoranao amin’ ny fakam-panahy samy hafa, omeo ny saina sy ny fahendrena ary finoana avy Aminao Kristy izy”.

Ohatra Fampaherezana mpitondrantena sy kamboty:

“Hianao no mpiahy sy mpanome rariny ny mpitondrantena sady rain’ ny kamboty”

Ohatra Fampaherezana ray na renim-pianakaviana:

“omeo saina hendry sy matsilo izy, hahaizany mitondra ny ankohonany araka Anao Andriamanitra, ary ampio ireo taranany hatoky sy hino ary hanaja Anao sy hanaraka ny didinao”.

Ohatra Fampaherezana mpitondra na tompon’ andraikitra eo amin’ ny fiaraha-monina sy ny firenena:

“Hianao Kristy Tompon’ ny fahefana rehetra no manendry fanapahana ho an’ ny olonao izay ametrahanao ny fitokisanao. Tsarovy ity mpanomponao manatona anao, mitady ny indrafonao; mba hampaherezinao izy, ary omenao saina amam-pahendrena tahaka an-dry Solomona mpanjaka fahizay, izay niantehitra taminao ary nohasoavinao, mba hiadana ny tany sy ny firenena anjakanao Kristy Tompo sy Andrian’ ny fiadanana”.

Ohatra Fampaherezana mpanompon’ Andriamanitra (Pastora, Mpiandry):

“Jesosy Tompo ô! Inty ny olom-boafidinao, mandohalika eto anatrehanao, mangetaheta Anao, maniry Anao fatratra… Hoy Jesosy aminao: “tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo … Tsy atao hoe mpanompo intsony hianareo, fa efa natao ho sakaiza””.

Fanamarihana:

Ho an’ ny Tobilehibe Farihimena sy ny FJKM, dia misy Mpiandry iray mivavaka  mialohan’ ny fametrahan-tànana.

            2.2.6 Famaranana

Rehefa vita ny fametrahan-tànana amin’ ny olona rehetra,dia mitsahatra ny hira, ary mandroso ho amin’ ny famaranana ny fotoana araka izao manaraka izao:

                        2.2.6.1 Vavaka famaranana

Izao avy no tokony ho hita ao anatin’ ny vavaka famaranana:

  • Fisaorana ny Tompo noho ny nahazoana nanatanteraka ny asa
  • Fametrahana ny asa natao eo amin’ ny Tompo

                        2.2.6.2 Hira

Ny matetika fanao:

  • Hira faha-9, and. 4
  • Hira faha-175, and. 5
  • Hira faha-579, and. 4

                        2.2.6.3 Vavaka nampianarin’ ny Tompo

Ny vavaka nampianarin’ ny Tompo no fehin’ ny fotoana manontolo. Vavaka fampiraisana io.

Rehefa manao azy io, dia eo mandrakariva Jesosy miara-mivavaka amin’ ny Azy; izay no tena lanjany sy foto-piorenany.

                        2.2.6.4 Tsodrano

Raha misy Pastora na Mpitandrina eo amin’ ny fivoriana, dia izy no manao sy manome tsodrano ho famaranana.

Fanamarihana

Ho an’ ny FJKM sy ny Tobilehibe Farihimena, dia toy izao no fizotry ny famaranana:

            1. Vavaka

            2. Teny hafatra avy amin’ ny Soratra Masina (tsy hazavaina intsony). Azo      isafidianana ireto manaraka ireto:  Rom. 15. 5-6 ; I Kor. 15. 58 ; Efes. 6. 10-11,      14-18 ; Kol. 3. 12, 15 ; II Tim. 1. 6-8a, 13-14 ; Apok. 2. 10b ; 3. 10-11, 21.

            3. Tsodrano

            4. Hira famaranana

2.3 Aorian’ ny fotoan’ ny Asa

Rehefa vita ny fotoana niraisana tamin’ ny besinimaro, dia miverina ao amin’ ny toerana niomanany ny Mpiandry, ka miroso amin’ izao fandaharana manaraka izao:

            2.3.1 Fiaraha-mivavaka noho ny asa natao

Atao izao fiaraha-mivavaka izao mialoha ny hanesorana ny akanjo masina, vavaka fisaorana ny Tompo, fangatahana ho an’ ny fitohizan’ ny asa sy fametrahana ireo mpivory eo am-pelatànan’ Izy Tompon’ ny Asa, fangatahana ho an’ ny mpiasa sy ny mpiara-miasa

            2.3.2 Fanesorana ny akanjo masina

Rehefa vita ny fiaraha-mivavaka teo, dia samy mamonjy toerana mitokana ny Mpiandry tsirairay avy, ka manao vavaka mangina; aorian’ izay ny fanesorana ny akanjo masina.

            2.3.4 Fandaminan-draharaha

Raha ilaina, dia azo atao, rehefa vita ny fanesorana ny akanjo masina, ny manokana fotoana fohy ho amin’ ny dinidiniky ny mpiara-miasa, handinihana ireto zavatra manaraka ireto:

  • Ny zavatra nitranga nandritra ny fivoriana (tatitra sy jery todika: fandaminana samihafa, marary mila fanaraha-maso akaiky, …)
  • Fandaminana ny famangiana tokantrano raha misy mangataka
  • Vaovao samihafa: fiainan’ ny mpiara-miasa, fangataham-bavaka manokana amin’ ny mpiara-miasa, fivorian’ ny Mpiandry, fotoam-bavaka isam-paritra, ezaka iombonana samy hafa, …

            2.3.4 Vavaka mialoha ny firavàna

Fametrahana ny dinidinika natao sy ho an’ ny fitohizan’ ny asa

  • NY FOMBA FIASA SAMIHAFA AMIN’ NY FANATANTERAHANA ASA SY FAMPAHEREZANA AMIN’ NY TOERANA SAMIHAFA

      3.1 any am-pamangiana tokantrano

            Ny famangiana tokantrano mila Asa sy Fampaherezana dia famindrampo ho an’ ny olona tsy afaka mandeha, fa tsy mahasolo ny famonjena izany any amin’ ny Fiangonana na any amin’ ny Toby. Tsy tokony hanazatra na hampihanta olona ho vangian-dava any an-tokantranony ny Mpiandry. Tarihina sy zarina hamonjy Fiangonana na Toby ny olona.

            Ny Mpiandry dia tsy maintsy mandeha rehefa antsoin’ olona. Tsy maintsy anontaniana tsara anefa ny antony iantsoana azy, mba hahafantarana tsara ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy sy ny teny tandrify tokony hatao (olona mbola tsy mino, olona mitady fanasitranana, mino tra-pangatsiahana, …).

            Asa masina ny famangiana: Jesosy no Mpamangy, ary ny Mpiandry dia fitaovana ihany. Raha hanao famangiana dia mila mivavaka mba tsy ho azon’ ny fakam-panahy, ka hanantena tambiny amin’ ny fametrahan-tànana, hanery ny olona vangiana na mivantana na an-kolaka hanome zavatra ho an’ ny tena.

            Mpiandry roa fara-fahakeliny no mandeha ka, na samy lehilahy, na samy vehivavy, raha tsy hoe angaha mpivady. Tsy azo atao ny mampitovy isa ny lehilahy sy ny vehivavy raha miara-mandeha. Tandrovina ny fahamasinan’ ny asa ary tandremana tsy hahatonga fanafintohinana ny mason’ ny hafa.

       3.2 any amin’ ny Hopitaly

            Ny marary any amin’ ny hopitaly dia afaka mangataka Asa sy Fampaherezana. Tsy maintsy fantarina tsara anefa ny toetry ny aretiny, ny antony nahatonga izany, ny fitsaboan-tena efa nataony, ny nahatonga azy hiantso Mpiandry hiasa aminy. Fantaro sy diniho tsara fa matetika maika loatra hahazo fanasitranana fotsiny izy, ka voatery mandainga. Homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ianao hamantaranao izay tena marina. Raha nitsabo tena tany amin’ ny mpimasy izy dia anontaniana raha tapa-kevitra hanolotra ny odiny hodorana alohan’ ny hiasana aminy. Raha tsy mbola foiny izany sy ny fomban-tsampy miaraka aminy, dia tsy terena izy fa asaina mieritreritra tsara aloha. Torina aminy ny Tenin’ Andriamanitra ary trotroina amim-bavaka izy alohan’ ny handaozana azy. Hoy i Paoly Apostoly: “aza malaky mametra-tànana amin’ olona na iza na iza…” (I Tim. 5. 22).

            Rehefa atao ny Asa sy Fampaherezana any amin’ ny Hopitaly, dia tandrovina ny fahanginana, tsy asiana antsoantso mafy manabataba, fa finoana matanjaka amin’ ny Anaran’ i Jesosy no ilaina. Tsy azo atao lava ny vavaka ho an’ ny marary any amin’ ny hopitaly.

            Tsy azo atao ny mametra-tànana amin’ ny marary any amin’ ny hopitaly raha tsy nangatahan’ ny fianakaviany mazava, ary efa vita era sy tsodrano tsara. Fiarovana ho an’ ny mpiasa no anton’ izany, mba tsy hisy haningotra azy na hifototra aminy aorian’ izany.

            Zava-dehibe amin’ ny Tompo ny finoan’ ny mpitondra marary any amin’ ny hopitaly, fa avy amin’ izany no anomezany fanasitranana (Mat. 8. 13 ; 15. 28 ; Jao. 4. 50 ; Asa 16. 31)

            Ho an’ ny marary ara-batana nefa salama tsara ara-panahy, ka afaka mandray sy matoky tsara ny Tenin’ Andriamanitra, dia fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo indrindra no ilaina ho azy, fa tsy Asa sy Fampaherezana. Rehefa natao izany, dia tsy tohizana Asa sy Fampaherezana intsony.

       3.3 any am-panaovana Tafika Masina

            Ny Tafika Masina dia sehatra fitoriana, fampaherezana, fampianarana ho an’ ny tsy mbola nandre ny Filazantsara sy ho an’ ireo vao tonga kristiana. Atao hoe “ministera” ny asa fanasoavana ny mino ao amin’ ny Fiangonana, ary izany dia tafiditra ao anatin’ ny Tafika Masina ataon’ ny fiangonana.

            Raha Tafika Masina no atao, dia mazava ny ilàna fotoam-piomanana (vavaka, fampaherezana) sy fanomanana an’ izany: fe-potoana, fandaharam-potoana, toerana ho vangiana, fandaminana ny tohin’ ny asa (fanolorana ny olona hatao Batisa eo amin’ ny mpitondra Fiangonana, fitaomana ho Konfirmanda, …), ny ho enti-manana sy ny kojakoja ilaina.

            Ny mpiantafika dia mila Asa sy Fampaherezana, mba hitombo hery sy finoana amin’ ny fanatanterahana ny Tafika Masina. Ao am-piangonana, akaiky ny toerana anaovana ny Tafika Masina, na ao amin’ ny toeram-pilasian’ ny Mpiantafika, no anatanterahana izany.

            Torak’ izany koa, ny olona voataona ho an’ ny Tompo, vokatry ny asan’ ny Tafika Masina, dia mety mangataka Asa sy Fampaherezana. Ny dinidinika atao amin’ izy ireo dia mitovy amin’ izay voalaza momba ny marary any amin’ ny hopitaly mangataka Asa sy Fampaherezana.

FAMARANANA

            Zava-dehibe tokoa araka izay hitantsika teo ny Asa sy Fampaherezana. Manana ny maha-izy azy tokoa izany, satria ny Tenin’ Andriamanitra no nanendry sy nanorina azy.

            Ho antsika izay velona amin’ izao taona arivo fahatelo izao, izay miaina ao anatin’ ny fandrosoana sy ny teknolojia avo lenta, dia tsy lany andro izany Asa sy Fampaherezana izany, fa mbola ilaintsika, satria sady manafaka antsika amin’ ny devoly sy ny asany rehetra ary ny fombany rehetra no mampiorina antsika koa amin’ ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.

Facebook
OFF AIR
Retour en haut