Fiangonana mino sy manaiky ary mampianatra fa ny Soratra
Masina dia ny Boky Kanonika ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, no
Teny nambaran’Andriamanitra.
Fitoriana ny Filazantsara sy fizarana ny Sakramenta isam-piangonana, isan-tanana ary amin’ny toerana rehetra
Fanorenana Fiangonana
Fampianarana sy Fanabeazana ao anivon’ny Fiangonana sy eo amin’ny Firenena
Fanasoavana ny vahoaka sy ny Firenena izay mikendry fampandrosoana sy fahasalamana ary fahatsaran’ny fari-piainan’ny olona, tsy anavahana finoana na fihaviana.
Fanarenana ny fiainan’ireo mahantra amin’ny alalan’ny fanampiana mivantana sy ny fanofanana ho amin’ny fampandrosoana
Fanatsarana ny fitandremam-pananana sy fanamafisana ny Fizakantenan’ny Fiangonana.
Eto isika raha hanohana ny asa tanterahina ato amin’ny FIangonantsika
NY FIKENDREN’NY
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
FITORIANA ny FILAZANTSARA
Fampielezana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy manerana an’i Madagasikara sy ny tany
hafa koa.
SOSIALY
Fanabeazana sy fampiorenana ny olona amin’ny finoana sy ny fiainana kristiana, ary ny
asa amin’ny alalan’ny fitoriana sy fampianarana marina sy madio ny Tenin’Andriamanitra, ary
ny fampiasana marina araka ny Tenin’Andriamanitra ny Sakramenta.
VAVOLOMBELONA
Fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny teny sy ny fiainana
ary ny asa, amin’ny mahampaminany ny Fiangonana eo amin’ny Firenena sy izao tontolo izao.
Tenin’Andriamanitra fitadidy
« Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. » (Isaia 60:1)
« Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. » (Apokalypsy 2:10)