« Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. » (Salamo 119:11)
Choisir une date
15 JANOARY
Isaia 38.12
Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin' ny haraka izy ; indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Ny fiainan' olombelona dia ampitahaina amin' ny tenon-damba. Ampandehanina mandrakariva ny famahanan-tenona, dia mihalava ny lamba. Miampiampy ny kofehy voatenona ka manomboka miseho ny sora-damba. Ny kofehy anankiray dia zavatra kely bitika, nefa ny lamba rehetra dia fitambaran' izany kofehy madinika izany ihany. Raha misy diso ny fampandehanana ny kofehy dia diso sora-damba.
Heverina ho kely sy tsy misy heviny ny indray andro, kanefa nyindray andro, dia fizarana anankiray amin' ny fiainako, Raha tsy mitondra tena tsara amin' ny andro tsirairay ny olona, dia hanao ahoana ny totalin’ ny fiainany.
Rehefa vita ny tenona, dia tapahina ny kofehy sy ahorona, dia tsy azo tenomina intsony izy. Dia tehirizina ambara-piseho sy itsarana azy. Ry Andriamanitra ô, ampio aho mba ho toy ny lamba voatenona tsara ny fiainako. Hianao no mpanenona mahay ; ka omeko Anao ny famahanan-tenon' ny fiainako. Ataovy amiko izay tianao hahatsara soratra ny fiainako,dia tsy ho menatra aho amin' ny andro
fampisehoana sy hitsarana azy.
Ny fiainan' olombelona dia ampitahaina amin' ny tenon-damba. Ampandehanina mandrakariva ny famahanan-tenona, dia mihalava ny lamba. Miampiampy ny kofehy voatenona ka manomboka miseho ny sora-damba. Ny kofehy anankiray dia zavatra kely bitika, nefa ny lamba rehetra dia fitambaran' izany kofehy madinika izany ihany. Raha misy diso ny fampandehanana ny kofehy dia diso sora-damba.
Heverina ho kely sy tsy misy heviny ny indray andro, kanefa nyindray andro, dia fizarana anankiray amin' ny fiainako, Raha tsy mitondra tena tsara amin' ny andro tsirairay ny olona, dia hanao ahoana ny totalin’ ny fiainany.
Rehefa vita ny tenona, dia tapahina ny kofehy sy ahorona, dia tsy azo tenomina intsony izy. Dia tehirizina ambara-piseho sy itsarana azy. Ry Andriamanitra ô, ampio aho mba ho toy ny lamba voatenona tsara ny fiainako. Hianao no mpanenona mahay ; ka omeko Anao ny famahanan-tenon' ny fiainako. Ataovy amiko izay tianao hahatsara soratra ny fiainako,dia tsy ho menatra aho amin' ny andro fampisehoana sy hitsarana azy.