Ny Fiangonana Loterana Malagasy, izay hafohezina amin’ ny hoe FLM, dia fiangonana kristiana prôtestanta eto Madagasikara izay nateraky ny fitambaran’ ny fikambanana misiônera loterana maro tamin’ ny taona 1950 niasa teto Madagasikara, sady miray amin’ ny Fiangonana Loterana maneran-tany izay nipoitra avy tamin’ ny Refôrmasiôna nataon-dry Martin Lotera. Nanohy ny fampianaran’ ny misiônera loterana tonga teto Madagasikara ity fiangonana ity nefa manana ny fahasamihafany amin’ ny fiangonana loterana any ivelany, noho ny fisian’ ny fifohazana mampiavaka ny prôtestantisma eto Madagasikara, izay mandray anjara lehibe amin’ ny fitaomana ny olona ho kristiana. Laharana fahatelo ny FLM raha ny habetsahan’ ny mpino no jerena (eo anelanelan’ ny 3 tapitrisa sy 4 tapiptrisa any ho any). Maro amin’ ny mpino ao aminy no misahana ny asan’ ny misionera any amin’ ny firenen-kafa toa an’ i Kamerona sy i Papoa Ginea Vaovao ary i Tailandy.
Ny tantarany
Ny niandohany
Ny fiangonana loterana teto Madagasikara dia vokatry ny fitoriana ny Filazantsara nataon’ ny misiônera avy tamin’ ny Misiona Norveziana (anglisy: Norwegian Missionary Society – NMS, na nôrveziana: Norsk Misjonsselskap) nanomboka tamin’ ny taona 1866 sy ny Misiona Amerikana (Americana Lutheran Church – ALC sy Lutheran Board of Mission – LBM) nanomboka tamin’ ny taona 1888. Tao Betafo no naorin’ i John Engh sy i Nils Nielsen ny trano fiangonana loterana voalohany teto Madagasikara ary i John Engh no pastora loterana voalohany tao.
Ireo tanora roalahy ireo dia nirahina taorian’ ny fandehanany hanao fanadihadiana avy any Afrika Atsimo nosahanin’ ilay eveka atao hoe Hans Schreuder. Tonga tao Antananarivo izy ireo tamin’ ny 27 Septambra 1866 ka narakarahin’ ny misionera maro hafa koa, anisan’ izany ireto tanisaina manaraka ireto: Torkild Guttormsen Rosaas, Lars Dalhe, Nielsen Lund, Lars Vig, Arne Valen, L. J. Rostvig, Hans Wilhelmsen ary O. J. R. Thesen.
Ny misionera loterana avy any Amerika dia tonga fotoana fohy taorian’ izany ka nanorina stasiôna, indrindra ny tao amin’ ny tapany atsimo-andrefan’ i Madagasikara. Nomena ho sahanin’ izy ireo io faritra io tamin’ ny taona 1891 taorian’ ny fangatahana nataon’ izy ireo tamin’ ny NMS, ka anisan’ ny misionera amerikana tonga voalohany i Habstad sy i Tou.
Fanorenana fiangonana sy sekoly ary toeram-pitsaboana
Raha vao tonga teto Madagasikara ny fikambanana misionera dia nanorina sekoly sy hôpitaly maro mba hampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara sy hanampiana ny fiarahamonina malagasy.
Anisan’ ny fiangonana voaorin’ ny misionera voalohany teto Madagasikara ireto tanisaina manaraka ireto:
- Betafo (1867)
- Masinandraina sy Antsirabe (1869)
- Loharano sy Soavina Ambohimasina ary Manandona (1870)
- Antananarivo Ambatovinaky sy Fisakana (1871)
- Ilaka sy Ambatofinandrahana ary Fihasinana (1875)
- Soatanana Fianarantsoa (1876)
- Masombahoaka Fianarantsoa (1878).
Mankany amin’ ny fahaleovan-tena
Ny pastora sady evanjelista loterana malagasy voalohany dia nofanin’ ny misionera nôrveziana tao Ambatovinaky (Antananarivo) tamin’ ny taona 1871 hatramin’ ny 1885 alohan’ ny hamindrana izany any Masinandraina, ao akaikin’ Antsirabe (1890 – 1893), avy eo tao Fianarantsoa. Fantatra amin’ ny anarana hoe « Efapolo lahy » ny sekoly fanofanana pastora sy evanjelista tao Masinandraina, izay nisy mpianatra miisa 40 tamin’ ny fiandohany. Efa nisy koa ny mpampianatra zaza madinika nofanina tao Masinandraina nanomboka tamin’ ny Janoary 1878 rehefa voatsangan’ i Lars Vig ny sekoly fanofanana mpampianatra.
Ireo misionera samihafa ireo, taorian’ izay, dia nanorina fikambanana maro niaraka tamin’ ny mpino loterana malagasy. Ny fikambanana misionera telo lehibe dia nikambana ho iray tamin’ ny Nôvambra 1950 ka niova anarana hoe Fiangonana Loterana Malagasy. Niisa 1 800 ny fiangonana loterana efa niorina tamin’ izany fotoana izany. Ny pastora Rakoto Andrianarijaona no lany ho filohan’ ny FLM voalohany ny Septambra 1961 tamin’ ny fanaovana Synoda Lehibe tany Toliara.
Ny FLM ankehitriny
Ny fitomboany
Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia fiangonana tsy mitsaha-mitombo indrindra amin’ ny fiangonana loterana maneran-tany, vokatry ny asan’ ny Fifohazana indrindraindrindra. Miisa 3 000 000 any ho any ny mpino loterana eto Madagasikara araka tatitra nataon’ ny Lutheran World Federation (LWF) sy ny World Council of Churches. Tamin’ ny taona 2018 dia tombanana ho 4 tapitrisa izany. Laharana fahasivy amin’ ny fiangonana loterana lehibe indrindra maneran-tany mpikambana ao amin’ ny Lutheran World Federation ny FLM.
Ny FLM ankehitriny dia misy synoda miisa 25, ka anisan’ izany ny Synoda FLM any Eorôpa, sy fiangonana miisa 6 000 any ho any miparitaka manerana an’ i Madagasikara sy any am-pitan-dranomasina. Tamin’ ny taona 2018 no nankalazana miaraka ny faha-500 taonan’ ny Refôrmasiôna prôtestanta nataon’ i Martin Lotera sy ny faha-150 taonana nahaterahan’ ny Fiangonana loterana eto Madagasikara.
Ny Fifohazana
Ny Fifohazana dia hetsika ara-panahy, miorina amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, izay mirafitra koa ao amin’ ny Fiangonana Loterana Malagasy. Nanomboka tamin’ ny fiovan’ i Rainisoalambo tao Soatanàna ho kristiana tamin’ ny taona 1894 izany, izay nitarika olona maro atao hoe « mpiandry » hitory ny Filazantsara sy hitaona ny olona mbola tsy kristiana (ataony hoe « Jentilisa ») sy amin’ ireo izay efa kristiana nefa mbola manohy ny fivavahan-drazana malagasy. Manerana an’ i Madagasikara dia ahitana toerana mitokana atao hoe « toby », izay andraisany ny olona mila fampaherezana sy fahasitranana amin’ ny alalan’ ny vavaka sy fametrahan-tanana sy fandroahana devoly ary fampaherezana. Ny foibem-pifohazana atao hoe « toby lehibe », sy ny toby madinika atao hoe « zana-toby » sy ny mpikambana ao aminy no mivodrona ao amin’ ny Firaisan’ ny Fifohazana Loterana (FIFIL), izay sampana ao anatin’ ny FLM. Mivondrona ao amin’ ny fikambanam-pifohazana lehibe kokoa iraisany amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny FIFIL.
Ny asa misiona any ivelan’ i Madagasikara
Ankehitriny dia miara-miasa amin’ ny fikambanana misionera loterana hafa ny FLM, indrindra amin’ ny Norwegian Missionary Society (NMS), amin’ ny fampielezana ny filazantsara sy ny loteranisma any amin’ ny firenen-kafa toa an’ i Kômôro, i Kamerona, i Tailandy, i Papoazia-Ginea-Vaovao. Ny ankamaroan’ ireo misionera ireo dia dokotera, mpitsabo nify, evanjelista ary pastora.
Ny fitantanam-piangonana
Rafitra synodaly
Ny rafitra synodaly, araka ny andraisan’ ny FLM azy, dia rafitra mampanjaka ny fiombonana sy ny fiaraha-midinika eo amin’ ny mino tsy anavahana sokajy (na pastora na laîka), mba handraisana fanapahan‐kevitra mikasika ny fiainan’ ny Fiangonana, ka ireo mpanapa-kevitra ireo (izay mivondrona ao amin’ ny atao hoe ny komity) dia solontena tendrena na fidina isaky ny ambaratonga (fiangonana, fitandremana, fileovana, synodam-paritany, FLM manontolo), mandritra ny fotoana voafetra, ka mitovy zo eo amin’ ny fanapahan-kevitra ny samy pastora sy ny samy laîka ary ny ambaratonga mitovy tantana (izay mitovy adidy koa). Iombonana ny fitsipika sy ny litorjia, iombonana koa ny asa isan’ ambaratonga.
Ny ambaratonga eo amin’ ny FLM
Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia voalamina araka ny rafitra synodaly ka ahitana an’ izao:
- ny fiangonana isan-toerana maromaro mifanakaiky no mitambatra ho « fitandremana » (atao hoe « mpitondra fitandremana » ny pastora misahana azy);
- ny « fitandremana » maromaro mifanakaiky no mivondrona ho « fileovana » (atao hoe « mpitondra fileovana » ny pastora misahana azy);
- ny « fileovana » maromaro no miray ho « synodam-paritany » (atao hoe « filohan’ ny synodam-paritany » ny pastora misahana azy);
- ireo rehetra ireo no mamorona ny FLM manontolo izay tantanan’ ny Synoda Lehibe (atao hoe « filohan’ ny Fiangonana Loterana Malagasy » ny pastora misahana azy).
Pastora daholo no mitandrina ireo ambaratonga ireo afa-tsy ny fiangonana tsy renivohi-pitandremana izay sahanin’ ny katekista. Fifidianana eo anivon’ ny synodam-paritany no mamaritra ny fanomezana pastora ny fitandremana sy ny fileovana.
Ny Birao Foibe sy ny Synoda Lehibe
Ny Birao Foiben’ ny Fiangonana Loterana Malagasy no tompon’ andraikitra voalohany amin’ ny fitantanana ny FLM. Izy no birao mpanatanteraka ny Komitin’ ny Synoda Lehibe (KSL) sy ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe (KMSL). Toa izao ny mpikambana ao aminy: misy filoha, filoha lefitra, tonia, tonia lefitra ary mpitahiry vola.
Ny Synoda Lehibe dia fitambaran’ ny synodam-paritany rehetra. Ny komitin’ io Synoda Lehibe io (na KSL) dia mivory isaky ny efatra taona, ary ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe (KMSL) dia mivory indroa isan-taona. Ny filohan’ ny FLM dia pastora fidin’ ny KSL hisahana izany andraikitra izany mandritra ny efatra taona. Ny KSL dia ahitana mpikambana miisa 500 any ho any izay misolo tena ny synodam-paritany loterana rehetra eto amin’ ny Nosy sy any Eorôpa.
Ireto ny pastora filohan’ ny FLM enina nifandimby nanomboka tamin’ ny taona 1950 :
- RAKOTO Andrianarijaona
- RANAIVOJAONA Razafimanantsoa
- RABENOROLAHY Benjamin
- RAKOTO ENDOR Modeste
- RAKOTONIRINA David
- RAKOTOZAFY Denis