FANTARO ARY NY:
RAOZIN’I LOTERA
Ny Raozin’i Lotera dia antsoin’ny teolojiana maro hoe Kompendium theologiae, na koa fehin’ny teolojia. Hita ao tokoa ny fijery Dogmatika (Fampianaram-pinoana) izay manambara ny finoana Kristiana.
{ avy ao anatiny makany amin’ny sisiny ny famakiana azy }
01
Ny Hazofijaliana
Raha fintinina ny Soratra Masina iray manontolo dia lohahevitra tokana no ambarany, dia ny Famonjena. Na ny fisoronana, na ny fisoloana, na ny fampihavanana, na ny famelan-keloka, dia samy vita teo amin’ny Hazofijalian’i Jesosy Kristy avokoa (1 Kor 1:18; Gal 2:20). Tantaraina ka mora ny sorona nataon’i Jesosy teo, fa tena fanomezana fiainana vaovao mihitsy io rà latsaka io. Ny aretina, ny fahalotoana, ny alahelo, ny fahafatesana, ny fahavalo rehetra, izay aloka mainty nandrakotra ny olona no nentina teo amin’io Hazo io, ka noresena avokoa. Ka dia vita ny fampihavanana. Io no tokony ho tsaroana isan’andro ka atao ao am-po.
02
Ny Fo
Ny maha mena ny fo dia ny fisian’ny rà. Na ny vatana aza raha tsy ampy rà dia tonga fotsy na hatsatra. Ary ny fisian’ny rà kosa dia midika fahavelomana. Ny Olona nandray ny Filazantsara dia efa niditra ho ao amin’ny mazava, ary tonga zanak’Andriamanitra (Jao 1:12). Ka izay efa nohavaozina, nefa mbola minia manota indray dia toy ny manombo an’i Jesosy eny amin’ny hazofijaliana indray (Heb 6:4-6). Ny fomba iadiana amin’izany fiverenan-dàlana izany dia ny firaketana ny Filazantsara ao am-po (Sal 119:11). Raha sarobidy amin’ny olona io hazofijaliana io, dia tsy hieritreritra ny hampalahelo an’i Jesosy intsony izy. Ka tokony hatao ao am-po mandrakariva io hazofijaliana io, mba hihazonana ny finoana (Rom 10:10).
03
Ny Raozy
Olombelona isika, ary mandalo vetivety ny fiainana eto an-tany. Eken’ny iraisam-pirenena fa isan’ny voninkazo tsara endrika indrindra ny Raozy, saingy mbola halazo ihany indray andro any. Taratry ny hafohizan’ny fotoana andalovana eto an-tany ny Raozy. Fa na Raozy na pervansy, na margerity, dia ahitra avokoa; mandalo dia hihintsana, ary ho maina (1 Pet 1:24).
Na dia handalo vetivety aza anefa ny fiainan’ny kristiana, ny lokony kosa dia tokony ho fotsy manjopiaka, mariky ny fahadiovana. Etika mendrika ny fibebahana no ambara amin’izany: Ny fahadiovan’ny fitondran-tena sy ny famiratry ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny olony (Ampif Mat 5:8, Filip 1:10, ary Apok 3:5).
Izany hoe, ny fandraisana (Fo) ny Filazantsara (Hazofijaliana) dia tokony hiteraka Etika madio (Raozy fotsy) (Mat 5:48).
04
Ny Lanitra Manga
Ao anatin’ny tokontany manga avokoa ireo rehetra ireo. Matetika moa dia heverin’ny olona fa iny habakabaka iny (manga) no lanitra. Io fahazarana io no nahatonga ny filazana fa manga ny lanitra. Ny fandovana ny fiainana mandrakizay no tanjona, ka isaky ny mahita na mijery ny habakabaka isika, dia tokony hahatsiaro fa tany vaovao sy lanitra vaovao no andrasantsika (2 Pet 3:13). Io no toerana andrandraina hitoerana sy honenana mandrakizay.
Iza anefa no honina ao?
05
Ny Peratra Volamena
Ireo izay efa tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra dia tanisain’ny I Kor 6:9-10. Toa etika no itarafany azy eo, fa ny tena ivony dia ny finoana, satria ny finoana no anamarinana na anamelohana ny olona iray (Rom 1:17; Jao 3:16).
Raha vao resahana ny hoe Peratra, dia zavatra roa no tonga ao an-tsaina avy hatrany, dia ny Fiandrianana (Peratry ny mpanjaka, na olona asandratra, ampit Lio 15:22) sy ny Fanambadiana.
Io voalohany io dia manamarika fandresena na satroboninahitra, ary miverimberina ao amin’ny Apok ny hoe «izay maharesy» (2:7,11,17,26; 3:5,12,21; 21:7), no hitoetra ao. Ny faharoa kosa dia manamarika ny Eklesia, izany hoe ny Fiangonana. Izy no ilay fofombady hampiakarina, ary Jesosy kosa no ilay Mpampakatra andrasana (Apok 14:4-5).