Jakoba 2 :17 « ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. »

Jakoba 2 :17 « ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. »

« οὕτως καὶ ἡ πίστις, ἐὰν μὴ ἔχῃ ἔργα, νεκρά ἐστιν καθ᾽ ἑαυτήν (houtōs kai hē pistis, ean mē echē erga, nekra estin kathheautēn).

Fampidirana :

Ity Epistilin’i Jakoba ity dia iray amin’ireo boky izay tena nodinihina fatratra vao tafiditra ho isan’ny Kanona tao amin’ny TV. Betsaka manko ny adihevitra nahakasika azy, fa na i Lotera aza dia sahy nilaza mihitsy tamin’ny taon-jato faha-16 fa raha azony atao dia noesoriny tsy ho isan’ny boky ao amin’ny TV ity boky ity :

Ny antony dia tsotra ihany, noho izy mivohy ny lohahevitra mahakasika ny fiainana ivelan’ny finoana. Izany hoe, tsindriany sy hamafisiny fa tsy maintsy manao asa ny olona, fa tsy mijanona ho mpihaino ny teny fotsiny ihany. Io lohahevitra io no novelabelariny tamin’ny fisian’ny disadisa ara-piarahamonina teo amin’ny mpanan-karena sy ny mahantra. Mananatra mafy izy ny tsy hisian’ny fifampiandaniana na ny fanavakavahana ao amin’ny Fiangonana fa mba hikatsaka ny fahendren’Andriamantira. Fa izany no antoka ahazoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra.

Anisan’ny tanjon’ity boky ity, ny handraisan’ireo Jiosy Kristiana ivelan’ny Palestina ny fampianarana (1 :1 ; 2 :2). Hita ihany koa izany tamin’ny fomba fisainana sy fiheverana Jiosy izay voizina manerana ity boky ity, ohatra amin’izany ny fahitana taratra ny fandinihan’i Jakoba ny Torah na ny lalàn’ny Mosesy. Tsapa manko fa maro ireo Jiosy izay tafalatsaka amin’ny fiainan’izao tontolo izao, ka izay no nahatonga ny mpanoratra hanoratra ity boky ity (Jak.1 :27 ; 4 :44). Izany hoe, ny mba hahatonga azy ireo ho tafapetraka indray amin’ny finoana (1 :19-26).

Daty nanoratrana :

Mahakasika ny daty nanoratana indray dia mazava ny voalazan’ireo mpandinika :

  • Voasoratra tao alohan’ny Konsily izay nataon’ny Apostoly tao Jerosalema ny 48-49 AD ity boky ity, satria raha taorian’izany no nahavoasoratra azy dia ho tsy maintsy nahitana taratra ny tranga ara-tantara tamin’izany ny boky.
  • Tsy maintsy voasoratra ny talohan’ny vanim-potoana nahafatesan’i Jakoba ihany koa ny boky, izany hoe talohan’ny 62 AD.

► Maro ny evidence izay azo hanohanana izany, fa ny zavatra azo antoka dia teo amin’ny fiandohan’ny taona 40 AD no nanoratana ny boky.

Ny tanjon’ity boky ity :

Ny tanjona dia ny handraisan’ireo Jiosy Kristiana ny fampianarana (1:1), na dia teo aza ny fanenjehana ny fivavahana Kristiana tamin’izany. Dia ny mba hahafahan’ny Kristiana, izay efa nampianarina, mba hanao asa manoloana ny fahantrana mianjady tamin’ny ankamaroan’ny vahoaka, vokatry ny rafim-piarahamonina nampiarina tamin’izany.

Teny fanalahidy:

Maro ireo teny fanalahidy ato amin’ity Epistily ity:

  • “mpamindrafo” sy “mpamorona tsy miova” ary “mpitsara” Andriamanitra. Marina Izy, sady saro-piaro. Kanefa mpanasitrana ihany koa.
  • “Avy any ambony ny fahendrena”: ka noho izany dia mampaharitra atsika amin’ny fijaliana ity boky ity mba ahafahatsika mitondra Fiadanana ety ambonin’ny tany, fa tsy korontana sy tsy fitovian-kevitra.
  • “avelan’Andriamanitra mihatra amin’ny olona ny fakam-panahy sy ny fizahan-toetra ary ny fijaliana” (1:2-4). Kanefa tsy avy amin’Andriamanitra no fihavian’izany fa avy amin’ny Satana. Mahatonga “faharetana” sy “fiaretana” ho an’ny olona ny fisian’izany (1:9, 27; 2:1-5, 2:15-16; 5:6).
  • Ny fivavahana no lala-tokana azo antoka ahafahana maharitra ny fizahan-toetra sy fijaliana. Tena ivon’ny fiainana ny vavaka, ka tsy amin’ny fotoana harariana ihany no ilàna azy, fa amin’ny vanim-potoana rehetra (1:5-7; 4:2-3; 5:13-18).
  • Hita eto ihany koa fa mifandray tanteraka ary tsy azo sarahina ny “asa” sy ny “fanamarinana”. Tsy manohitra ny fampianaran’i Paoly anefa izany, fa mameno izay voalazany ihany. Rehefa mamaky ny bokin’i Paoly sy Jakoba isika dia mahita fa ny “fanamarinana” dia avy amin’ny “fahasoavan’Andriamanitra” irery ihany, avy amin’ny alalan’ny Finoana kanefa koa tsy afa-misaraka amin’izany ny vokatry ny asa. Raha tsy nisy ny vokatry ny asa, dia tsy nisy fanamarinana (2:14-26).

NY FIZARAN’NY BOKY

  1. FIARAHABANA (1:1)
  2. NY FIZAHAN-TOETRA NY FINOANA (1:2-18)
  3. Ny fifaliana ao anatin’ny fahoriana (1:2-4)
  4. Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra mahakasika ny fizahan-toetra/fijaliana (1:5-8)
  5. Ny toeran’ny mpanan-karena sy ny malahelo arakan’Andriamanitra (1:9-11)
  6. Ny valim-pitian’ireo naharitra ny fizahan-toetra (1:12)
  7. Ny antanan-tohatry ny fizahan-toetra (1:13-18)
  8. IREO MPIHAINO SY MPANKATO NY TENY (1:19-27)
  9. Ireo mpihaino ny Teny (1:19-21)
  10. Ny mpankato ny Teny (1:22-25)
  11. Ireo tena mpanatanteraka ny fivavahana marina (1:26-27)
  12. NY FAHOTANA VOKATRY NY FANAVAKAVAHANA (2:1-13)
  13. Mahakasika ny fanomezana tombony ny mpanan-karena noho ny malahelo ao amp-piangonana (2:1-7)
  14. Ny fitiavana dia lalàn’ny fanjakana (2:8-11)
  15. Miasa araka ny fahazavan’ny fitsarana (2:12-13)
  16. NY FINOANA TSY MISY ASA DIA MATY (2:14-26)
  17. Ireo Finoana tsy misy asa (2:14-17)
  18. Ny valin’ny tsikera (2:18-20)
  19. Ny ohatra mahakasika an’i Abrahama sy Rahaba (2:21-26)
  • NY FAHOTAN’NY TSY FANKATOAVANA EO ANIVON’NY FIANGONANA (3:1-4:12)
  • Ny tokony hifehezana ny lela (3:1-12)
  • Ny vahaolana: ny fahendrena avy any ambony (3:13-18)
  • Fampitandremana manohitra an’izao tontolo izao (4:1-12)
  • IREO FAHOTAN’NY MPANAN-KARENA (4 :13-5 :12)
  • Ny fireharehana mahakasika ny ampitso (4 :13-17)
  • Fampitandremana ho an’ireo mpanankarena (5:1-6)
  • Ny faharetana ao anatin’ny fahoriana (5:7-12)
  • NY VAVAKY NY FINOANA (5:13-18)
  • FAMARANANA AMIN’NY ALALAN’NY FANANARANA (5:19-20).


Jakoba 2 :17 « ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. »

« οὕτως καὶ ἡ πίστις, ἐὰν μὴ ἔχῃ ἔργα, νεκρά ἐστιν καθ᾽ ἑαυτήν » (houtōs kai hē pistis, ean mē echē erga, nekra estin kathheautēn).

Ity teksta anjarantsika eto ity, dia miankina tanteraka amin’izay voalaza teo aloha, na ny konteksta mialoha fa tsy afaka mandeha irery.

Sarobidy sy maha-manan-danja, araka izany, ny teny nalahatra voalohany amin’ity teksta Grika ity. Izany hoe, ny fisian’ity adverbe οὕτω /οὕτως manokatra ny fehezanteny dia sady manindry ny foto-kevitry ny fehezanteny, no manazava izany ihany koa. Toy izao ny hita eto amin’ny toko 2:17:

 Ny manokatra ny fehezanteny dia ny adverbe οὕτω/οὕτως καὶ (houto/houtōs kai): midika hoe « mba toy izany koa, » na « araka izany koa, » na “noho izany koa,” na “dia toy izany koa,” na «tahaka izany koa,» na « mitovy aminizany koa. » Voambolana izay tsy dia mateti-pitranga io voambolana io, kanefa ampiasaina eto mba hanindriana izay voalaza teo aloha. Izany hoe, izay ambara manaraka eto amin’ity fehezan-teny amin’ny (2:17) eto ity izany dia tsy afa-misaraka fa mifampiankina amin’ireo trangan-javatra izay efa novelabelarin’ny mpanoratra eo amin’ny konteksta mialoha ity andinin-tSoratra Masina eto amin’ity 2:17 ity. Inona ary izany?

ireto no voalazanny konteksta:

Ny konteksta akaiky indrindra dia ny voalaza ao amin’ny (2:14-16) sy ny (2:18-26) Hita ao amin’ireo fa ny Finoana dia tsy mandeha irery ary tsy afa-misaraka amin’ny asa, fa miaraka mandrakariva.

Manindry io fifamatorana eo amin’ny finoana sy ny asa io indrindra no mahatonga an’ity toko faha 2 ity mamerimberina matetika ny fiarahanireo teny roa ireo. Miverina in-10  izany eto mba hanehoan’ny mpanoratra ny fifampiankinany: in-01 izany ao amin’ny (and.14); (×01) ao amin’ny and. 17; (×03) ao amin’ny and. 18; (×01) ao amin’ny and.20; (×02) ao amin’ny and. 22; (×01) ao amin’ny and.24; ary (×01) ao amin’ny and. 26. Ny dikan’izany dia izao: tena manan-danja ny fiarahan’ireo teny roa ireo ary tsy afa-misaraka ireo fa mifampiankina tanteraka.

► Tsara ho marihina ihany koa fa misy fehezanteny izay mitovy faneno, na mirazotra, na lazaina ihany koa hoe mifanindrandàlana (parallèle) eto. Ary rehefa ny fehezan-teny no mira-zotra tahaka izao, dia mazava ho azy fa mitovy ny voalaza ao amin’izany teksta roa izany. Ary ny ao ampovoany rehetra dia manazava izay lazain’ireo teksta roa (02) ireo:

► ity 2:17 ity izao dia mitovy tanteraka amin’izay voalaza eo amin’ny 2:26. Samy milaza mazava ireo andininy anakiroa ireo fa: “ny finoana tsy misy asa dia maty,” ary tsy vitan’izany ihany fa ny fisian’ny adverbe οὕτως (houtōs) dia tena zava-dehibe tokoa, satria araka ny efa nambara teo aloha dia misy zavatra tiana ho-tsindriana amin’ireo efa nambaran’ny fehezanteny voalaza teo aloha, dia izay jerentsika manaraka eto:

  • Ny andininy 2:17 dia milaza hoe: “ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsytrad.-ko: —,ary mba toy izany koa ny finoana/tahaka izany ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy.

« οὕτως καὶ ἡ πίστις, ἐὰν μὴ ἔχῃ ἔργα, νεκρά ἐστιν καθ᾽ ἑαυτήν. » (and.17).

  • Dia tahaka izay koa no voalaza eto amin’ny andininy 26, hoe: “….ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa

« οὕτως καὶ ἡ πίστις χωρὶς τῶν ἔργων νεκρά ἐστιν. » (Jak. 2:26 )

Izany hoe: (i) = (ii), fa saingy izao: tsy fitoviana fe-fitoviana fotsiny ihany no tiana ho tsindrina amin’izany fehezan-teny roa ireto. Fa ny fisian’ny adverbe houtōs eo alohan’ireo dia milaza fa misy trangan-javatra miseho any aloha izay tsy afa-misaraka aminy. Ary tsy vitan’ny hoe tsy afa-misaraka fotsiny, fa tena mitovy ihany koa. Ary izay no tena dikan’ity adverbe ity, “mitovy amin’izany,” “tahaka izany,” sns..araka izay efa nandikantsika azy etsy ambony.

► Izao ary no fanazavana azo omena mahakasika izany: ny 2:17 dia mitodika mazava amin’izay voalaza ao amin’ny andininy 15&16, ary araka ny efa voalaza teo ihany dia sady tsy afa-misaraka amin’izany 15&16 izany izy no mitovy amin’izay voalaza eo ihany koa. Ny eo amin’ny andininy 26b indray dia tsy afa-misaraka ny voalaza eo amin’ny andininy 26a. izany hoe:

  • (1) and. 15&16 = “finoana tsy misy asa” ► MATY
  • (2) ny “tena tsy misy fanahy”*** =finoana tsy misy asa” ► MATY.

■ raha tsorina izany izay voalaza izay dia izao:

Hita amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo fa: “maty ny finoana tsy misy asa,” ary rehefa jerena ny tsoa-kevitra dia tahaka izao: (1) + (2) “finoana tsy misy asa” dia tsy inona fa izay voalazan’ny and. 15&16; ary io no ambara eto hoe: “tena tsy misy fanahy.”► MATY.

► Izany hoe “finoana tsy misy asa,” na “tena tsy misy fanahy” dia ilazana ireto voalaza manaraka ireto:

ireo mijery fotsiny ireo rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’andro (and. 16)

 ▬ ireo manonona Fiadanana, na milaza soa na manome tso-drano olona (mivokisa), kanefa tsy manolo-tanana azy ireo akory amin’izay ilainy sy mampahory azy ► zava-poana araka izany fanononana Fiadanana sy tso-drano tsy arahina asa, ary tsy misy soa, na zavatra antenaina ho azo avy aminy.

maty toy ny “tena tsy misy fanahy” avokoa izany rehetra izany.

Noho izany dia mila arahina asa ny finoana, mba tsy ho faty. Tsy finoana ny finoana raha tsy mampiombona atsika amin’i JK. Kanefa ilay finoana mampiombona atsika ao amin’i JK dia finoana miteraka asa, maniraka antsika hiasa, satria finoana miseho amin’ny asa. Ary tsy vitan’izany fa Jesosy Kristy ilay inoantsika dia Jesosy Kristy tompon’ny asa, sady miasa ho antsika mandrakariva, dia ilay asam-pitiavana izay efa nanolorany ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana.

Fa raha tsy misy asa, dia maty manohitra ny tenany ilay finoana ka mamono ny tenany ihany. Ary tonga maty.

Araka ny efa voalaza tetsy ambony, dia ireo andininy rehetra voafono ao anatin’io 2:17 sy 2:26 io. Ary ireo fehezan-teny ireo dia manazava izany rehetra izany. Izany hoe, samy milaza izany fifampiankinana eo amin’ny finoana sy ny asa izany ireo fehezan-teny voalaza rehetra ireo:

* and. 18: “… izaho kosa haneho ny finoako amin’ny asako

* and. 20 “tsy vanona ny finoana tsy misy asa

* and. 22: “hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa

* and. 24: “koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany.”

* and. 26: “fa maty ny tena raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.”

Ny tsara ho tsindrina dia izao: tsy manohitra velively ny voalazan’i Paoly akory ity ambaran’i Jakoba eto ity. Satria i Paoly dia manamafy fa ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo irery ihany no mahavonjy. Ary mbola nohamafisin’i Lotera tamin’ny hoe “finoana irery ihany,” izay tsy inona akory fa iray amin’ireo fototra na andry dimy (05) ijoroan’ny Fiangonana Loterana. Tsy manohitra an’io ity ambaran’i Jakoba eto ity, fa Jakoba kosa dia manindry fa “raha tsy manana asa/tsy misy asa ny finoana dia maty mihitsy.” Ary io indray no andeha hojerentsika manaraka eto.

Fa mialohan’izany dia andeha aloha jerentsika ireo anarana eto: “Finoana,” “Asa,”

  • Ny Finoana « ἡ πίστις, » (hē pistis)

Ny teny grika hoe: ἡ πίστις (he pistis), no nadikan’ny Baiboly malagasy hoe «finoana.» Ireo mpandinika sy filozofa tahaka an’i Platon sy ry Polybius ary ry Josephus ihany koa dia mandika an’io teny io toy izany (eng. Belief). Raha ny ao amin’ny TV indray no jerena dia teny entina ilazana ny faharesen-dahatra mahakasika ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra, na amin’ireo zavatra izay an’Andriamanitra izany teny hoe finoana izany.

Ny Hebreo 11:1 dia mamaritra izany ho toy izao: “ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita

* noho izany, ny “finoana” no mandresy lahatra atsika fa misy Andriamanitra. Ary izany finoana izany ihany koa no mampanaiky atsika fa Izy no mpamorona sy mpanapaka izao zavatra rehetra izao. Izy no mpanome atsika ny famonjena mandrakizay amin’ny alalan’i JK (Heb. 11:6; 12:2; 13:7).

* Ny “finoana” ihany koa no mandresy lahatra atsika sy mampanaiky atsika fa Jesosy Kristy no Mesia. Ary mbola izany finoana izany ihany koa no mampanaiky atsika fa amin’ny alalany no ahazoatsika ny famonjena ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (Rom. 3:22; Gal. 2:16; 3:22; Efes. 3:12).

Ireto misy andinin-tSoratra Masina vitsivitsy izay maneho ny maha-zava-dehibe ny finoana, sy ny loharano nipoirany:

Mahavonjy ny finoana: io ilay ambaran’i Jesosy hoe “ny finoana no efa nahavonjy anao” (Lio. 17:19; 18:42). Teny izay ambarany amin’ireo olona izay mitady fanasitranana noho ny aretina sy ny ireo zavatra mangeja ihany koa izany. Noho izany dia ahazoana fahasitranana ny finoana (Asa.3:16).

ny fananana finoana dia isaina ho fahamarinana (Rom. 4:4-5). Tranga efa nisy teo amin’i Abrahama izany (Rom. 4:9b, 4:3 ampit. Gen. 15:6); ary voalaza eto amin’ny Epistilin’i Jakoba ihany koa.

Ny tenin’i Kritsy no loharano nipoiran’ny finoana. Ary ny tori-teny no nahafahana nandray izany (Rom. 10:7; 1 Kor. 15:14, 17).

▬  Ao amin’ny Jak. 2:2-4 dia voalaza mazava fa tsy manavakavaka ny finoana: “aoka tsy hisy fizahantavanolona ny Finoana ani JK ao aminny Fiangonana”, satria tsy misy ambony sy ambany ao amin’ny Fiangonana fa mitovy avokoa na ny mahantra na ny manan-karena. Fa ny fizahantavanolona sy ny fanavakavahana dia fahotana (2:9), ary tsy vitan’ny hoe manota fotsiny ihany fa melohinny lalàna. Izany hoe, ireo manavakavaka fa tsy tia ny namany tahaka ny tenany (Lev. 19:18, Jak. 2:8b). Isan’ny takiana amin’ny Kristiana, mpanara-dia an’i Jesosy izany, satria takian’ity boky ity amin’ireo Jiosy Kristiana izay nandefasany ity boky ity tany am-pielezana (1:1). Eo amin’ny and. 13 amin’ny toko faha-2 dia ambarany fa tsy hamindran’ny fitsarana fo izay rehetra tsy mamindra fo. Fa ho an’izay mamindrafo kosa dia tsy mba matahotra ny fitsarana.

▬ ny manam-pinoana ihany koa dia mpankato ny didy ambony indrindra, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “tiava ny namanao tahaka ny tenanao.(and. 8, Lev. 29:18). ary voasoritra mazava tsara ao amin’io andininy io ihany fa ny fanaovana izany dia midika ho fanaovana asa tsara. Fa ny mifanohitra amin’ireo voalaza etsy ambony ireo dia voalaza mazava ao amin’ny and. 9. “Fa raha mizaha tavan’olona kosa hianareo, dia manota ka helohin’ny lalàna ho mpanota.” (Jak. 1:8-9).

** Ny atao hoe Mankato eto dia avy amin’ny teny fototra τελεῖτε (pres. Ind. Act.) izay adika hoe ihany koa: «manatanteraka.” Ary tsy hoe, manatanteraka fe-manatanteraka ny didy fotsiny ihany; fa fanatanterahana voafetran’ny izay fotoana nitanisana ilay matoanteny eto: dia ny fotoana ankehitriny “present continue”, mitohy tsy misy fitsaharany. Ary ilay fanakatoavana/fanatanterahana dia tena azo antoka, tsy misy lainga: satria izany no valeur-n’ny mode Indicative izay nitanisana ny matoanteny hoe “mankato” eto. Izany hoe, fankatoavana isan’andro isan’andro tsy mitsy fitsaharana ary tsy misy fitaka. Io ilay ambaran’i Jaona ihany koa hoe “raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa” (Jao. 8:31). Teny izay nambaran’i Jesosy tamin’ireo Jiosy, izay voalaza fa nino Azy io teny io. Fa saingy tsy nankato ny teniny ireo, ary tsy naharitra tamin’izany fa rehefa tsy nifanaraka tamin’ny zavatra takiany ilay teny dia niala tsy nankato ny tenin’i Jesosy izy ireo.

Raha i Jaona indray no milaza mahakasika ny finoana dia izao:

  • izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay” (Jao. 3:15, 16, 36, ; 6:40, 47
  • izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay” (Jao. 6:54)

Mitovy tsy misy valaka amin’izay efa voalaza tetsy ambony ireo fehezan-teny ireo raha mahakasika ny lalàna mifehy ny fanoratana ny fiteny Grika (règle grammaticale) no Asian-teny:  rehefa jerena ny (1) + (2) ny atao hoe “manana ny fiainana mandrakizay” izany dia tsy inona fa:

NY MINO AZY, izay tsy iza akory fa ireo izay miombom-piainana Aminy, izay no voalaza amin’ny hoe MIHINANA NY TENANY SY MISOTRO NY RANY. Izany hoe, ireo izay mitahiry ny fahaveloman’i Jesosy ao anatiny, ka IRAY TENA amin’i JK (velona ao anatiny); ary mikoriana ao aminy ny ranY. Rehefa Jesosy no velona ao anatinao dia mazava ho azy fa sady manam-pitiavana ianao no manao ny asany ihany koa. Ary izay no mahatonga Azy manambara mivantana ihany koa ao amin’ny Jaona 14:12 manao hoe: “izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.” Izany hoe, ambaran’i Jesosy mazava eto amin’ity Filazantsara faha-4 eto ihany koa fa ny mino Azy, na ireo izay miombom-piainana Aminy dia manao ny asany, ary manao mihoatra an’izany aza.

► mba azotsika an-tsaina ve izany asa nataon’i Jesosy teo amin’ity izao tontolo izao ity?

Raha i Jaona ihany no manambara azy dia toy izao: “Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.” Entina ilazana izany, fa tena niasa Jesosy ary goavana ny asany. Ka noho izany, ny atao hoe mino an’i JK izany, dia sady miombom-piainana Aminy, no miasa, ary miaina ny fitiavana.

 Noho izany dia tsy finoana ny finoana raha tsy miseho amin’ny asa, ary tsy afa-misaraka izy roa ireo: 2:14-16: “inona moa no soa azo ry rahalahiko raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa izy tsy manana asa? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: mandehana amin’ny fiadananana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?

  • Ny anarana hoe “asa” ἔργα (erga):

Maro ny matoanteny Grika izay milaza an’io, fa ny ho lazain-tsika eto dia ilay asa izay ambaran’ity fehezan-teny izay anjaran-tsika eto ity,dia ny ἔργα (erga) izany.

Avy amin’io no nahazoana ny matoanteny hoe: ἐργαζομαι  dia midika hoe “to work” (miasa), na koa to serve (manompo)

Tamin’ny fiandohan’ity teny ity, izany hoe tamin’ny andron’i Homer dia nilazana “asa,” na ireo olona “mpanao asa amin’ny zotom-po” io matoanteny io. Tsy nifidy sehatra fa nampiasana azy avokoa ireo karazana asa maro samihafa. Fa ny LXX kosa dia niavaka ny nampiasany azy. Satria  tamin’ny sehatry ny ara-pivavahana sy ny etika no tena nampiasainy izany. Ary na ny dikan’ilay matoanteny aza dia tsy hoe miasa ihany fa manompo sy mitondra-tena (eng. To conduct) (Joba 34:21; Oha. 16:5; Sir. 10:6) ihany koa. Izany hoe, ilay anarana azo avy aminy izany dia tsy hoe “asa” ihany fa “fanompoana” sy “fitondratena” ihany koa.  Efa nampiasana tamin’ny fanompoana vokatry ny fanandevozan’ny firenena iray ihany koa io matoanteny io; ary farany dia efa nampiasana tamin’ny asa/fanompoana natao teo amin’ny Alitara ihany koa (Jer. 27:11; 1 Kor. 9:13).

Hita ihany koa ny fampiasana ity matoanteny ity: tamin’ny “asa famoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao” (eng. Divine work of creation) (ampit. Sal. 44:1; Job. 33:29; Gen. 2:2-3). Ny olona sy ny zava-boahary dia asan’Andriamanitra avokoa; ary tsy mitsahatra amin’izany asa izay nohariany izany Andriamanitra. Ny tantara ao amin’ny Baiboly dia maneho ny fiavahan’izany asany izany: ary toy “asa mahagaga” izay miantefa amian’ny olona, na hita amin’ireo tranga manokana izany (Eks. 34:10; Jos. 24:31; Mpits. 2:7, 10; Sal. 66; 77:11ff) ary hita amin’izany asan’Andriamanitra izany ny fandreseny ny fanahy ratsy. Fa ny tena tiana ho tsindriana dia izao: ny fanompoan’Andriamanitra, na ny asan’Andriamanitra voasoritra ao amin’ny fampiasana io matoanteny io dia manindry indrindra ny asam-pamonjeny ny Israely, izay mipetraka ho olony.

Ao amin’ny TV indray dia manondro ny “asa famonjen’Andriamanitra” izany. Ao amin’ny Filazantsara araka an’ny Jaona ohatra, dia voalaza fa ny asan’i JK no vavolombelona manambara Azy sy ny famonjeny (ampit. Jao. 5:20, 36; 7:3, 21; 10:25; 14:10ff; 15:24).

► ny tiana ambara eto dia izao, tsy fampiasa amin’ny asa tsotra ity anarana eto ity, fa asa miavaka, saro-bidy ary manan-danja sy manana ny toerany tahaka ny asa faharian’Andriamanitra sy ny asa famonjen’Andriamanitra. Ary tsy vitan’izany ihany fa nampiasana tamin’ny fanompoana ihany koa. Izany dikan-teny sy efa nampiasana ny teny izany dia efa mamaritra sahady ny tena dikan’ity fehezan-teny ity, sy ny zavatra izay takiany.

■ Eto izany dia ity fehezan-teny eo amin’ny Jakoba 2:17 ity dia toy izao:

Jakoba 2 :17 « οὕτως καὶ ἡ πίστις, ἐὰν μὴ ἔχῃ ἔργα, νεκρά ἐστιν καθ᾽ ἑαυτήν (houtōs kai hē pistis, ean mē echē erga, nekra estin kathheautēn).

Andeha aloha jerentsika ireo matoanteny tsirairay nampiasana eto, mialohan’ny hakan-tsika ny fehin-teny amin’izay rehetra efa voalaza teo aloha teo.

Toy izao ny dikanteny ao amin’ny BPM: “ny finoana tsy misy asa, dia maty mihitsy” (2 :17). Rehefa jerena anefa ny dikan-teny samihafa afaka andikana an’io fehezanteny io dia mety hahazoana bebe kokoa ny hevitra tian’ny Soratra Masina ambara. Rariny araka izany raha jerena akaiky ireo dikan-teny hafa ireo satria araka izay voalaza tery ambony dia tena nahafehy ny fampiasana ny fiteny Grika ny mpanoratra ka mampahazava tsara izay tiany hambara ny fanaovana izany:

Ankoatran’ireo efa nojerena tetsy ambony, toy ny adverbeοὕτως” sy ny anarana hoe “ἡ πίστις, ” ary ny hoe “ἔργα;” dia andeha jerentsika ny matoanteny hoe: “μὴ ἔχῃ” sy ny hoe “ἐστιν.

Raha jerena ny dikan-teny eo amin’ny BPM, ny matoanteny hoe “ἔχῃ” dia nadika hoe “misy.” Kanefa azo andikana azy ihany koa ny hoe “manana, mihazona” (fr. Avoir, posseder, renfermer, contenir). Izany hoe, raha averina adika io fehezanteny ao amin’ny (2:17) io dia izao:

  • Ary mba toy izany” koa ny finoana, raha tsy manana/misy/mihazona asa dia maty mihitsy” na hoe “tahaka izany koa /mba toy izany koa” ny finoana, raha tsy manana/misy/mihazona asa dia maty mihitsy”. (a) Izany hoe, toy ny fananan’ilay finoana ilay asa (b) na ny finoana koa dia toy zavatra itoeran’ilay asa.

► Ny characteristique maha-finoana ilay finoana sy ny mampiavaka azy izany dia ny fananany asa, ny fisian’ilay asa ao aminy. Izany hoe, tsy afa-misaraka ny finoana sy ny asa.

  • Raha adika amin’ny dikan-teny faha-roa hoe “manompo” koa ny hoe “ἔργα” dia toy izao ny dikan-teny vaovao azo:

“Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy fanompoana dia maty mihitsy.”

► izany hoe, ao anatin’ny finoana no misy ny fanompoana, ary tsy afa-misaraka amin’ny finoana ny fanompoana fa maneho ny maha-izy azy ny finoana.

****Raha fehezina ary izay voalaza etsy ambony dia tahaka izao: *****

  • Tsara ny manamarika ny “conjunction de subordination” hoe “ἐὰν” izay adika hoe “raha” (eng. If)  dia mitaky “subjonctif present” mandrakariva. Rehefa subjonctif ny matoanteny iray, araka ny voalazan’i Wallace, dia entina ilazana trangan-javatra izay mety hisy,na mety hitranga kanefa tsy azo antoka:

 izany hoe, (1)Ny finoana tsy misy/manana asa; na koa hoe ny (2) finoana tsy misy fanompoana/tsy manana fanompoana; na koa (3) finoana tsy itoeran’ny fanompoana/tsy itoeran’ny asa dia zavatra mety hisy saingy tsy azo antoka. Zavatra mampisalasala. Fa raha sendra misy izany dia mazava ho azy fa ho faty mihitsy. Araka izay voalazan’ny Soratra Masina eto. Raha tsorina izany dia izao: tsy hoe condition takian’ilay finoana ny hisian’ny asa, na ny fanompoana ao aminy; fa tena natiorany mihitsy. Ary tsy azo lazaina finoana izany ny finoana raha tsy ahatarafana asa ao anatiny. Tahaka ny contenu mitahiry ilay asa/fanompoana izany ny finoana.

Eto dia tsaroana ilay teny nataon’i Jesosy tamin’ireo Jiosy izay voalaza fa nino Azy vetivety ihany noho ny famatarana nataony, dia ny namokisany ny 5000 lahy tany an’efitra. Rehefa avy nanao izany famantarana izany Jesosy, dia nitady Azy fatratra ny olona, tsy noho ny nahitany famantarana, izay maneho ny maha-Andriamanitra Azy akory, fa noho ny namahanany azy ireo tamin’ny alalan’ny mofo 5 sy hazan-drano 2. Finoana poak’aty ny an’ireo Jiosy ireo, satria tsy ny tenin’i Jesosy no nitoetra tao anatiny, tsy velona tao anatiny Jesosy. Hany ka rehefa nampianariny mahakasika ny mofon’aina, na ny mofo velona nidina avy any an-danitra izy ireo, dia tafitohina ka niàla tamin’izany finoany izany, ary lasa tsy nitoetra ho mpianany intsony. Izay no nahatonga an’i Jesosy niteny fa “raha tena mpianatro tokoa ianareo dia mitoetra ao anatinareo ny teniko,” ary nahatonga Azy nanontany ny mpianany hoe: “ianareo koa va mba te-hiàla” (Jao. 6).

Ny matoanteny “ἐστιν” (estin) eto dia voatanisa amin’ny fotoana ankehitriny (Indicative present active):

  • Indicative: satria azo antoka, ary tsy misy fitaka ny zavatra iseho
  • Present: satria tsy efa lasa, na mbola ho avy fa iainana isan’andro isan’andro ny zavatra iseho.
  • Ary active: satria ny sujet ihany no mpanao ny asa.

Io matoanteny to be io dia midika hoe: “misy,” (fr. Existe) na koa mamaritra ny fizian’ny zavatra iray, na ny maha-izy azy.

Ka eto izany rehefa tenenina hoe: “ny finoana tsy misy/manana asa/fanompoana DIA maty mihitsy.” ► dia ilazana izany, fa zavatra azo antoka, tsy maintsy misy ary tsy miandry amin’ny ho avy fa amin’ny fotoana itenenana sady mitohy amin’ny ankehitriny mandritra ny androm-piainana. Izany hoe, rehefa tsy misy asa, na tsy manana asa, na tsy misy fanompoana, na tsy itoeran’ny fanompoana ny finoana dia maty amin’io fotoana present io ihany. Ary tsy iza no manao ny action, fa ny sujet, izay tsy iza ihany koa fa ny FINOANA ihany.

Io no andeha hidirantsika amin’ny teny farany izay asiana fampianarana:

  • Ny teny izay nadikan’ny BPM hoe “mihitsy” di any teny hoe: “καθ᾽ ἑαυτήν” (kath’heautēn):

Raha jerena ireo teny ireo, dia tsy pronom reflexive ihany, fa misy preposition “kath” izay voatanisa amin’ny accusative eo alohany:

  • Rehefa voatanisa amin’ny accusative io preposition io dia adika hoe: “araka ny…” (according to), “manohitra ny…” (against over), “isan’andro isan’andro…” (day by day/each day). Izany hoe, raha averina adika ity fehezanteny ity dia izao:
  • Ny finoana tsy misy/manana asa na tsy misy fanompoana dia maty araka ny tenany.
  • Ny finoana tsy itoeran’ny asa/tsy itoeran’ny fanompoana dia maty manohitra ny tenany. Eto amin’ity dia hita ny fahamarinan’izay voalaza etsy ambony: izay nambarantsika fa ny sujet no manao ny asa satria active ilay izy. Izany hoe, mamono tena izany ilay finoana ary azo antoka fa tsy velona amin’ny fotoana itenenana.
  • Ny finoana tsy manana asa/tsy manana fanompoana dia maty isan’andro isan’andro. Eto indray dia manamafy izay nolazaina teo aloha mahakasika ny valeur-n’ny present continu izany hoe, maty amin’ny fotoana ankehitriny mandrakariva ny finoana tsy itoeran’ny asa, na tsy manana asa na tsy misy fanompoana.

Raha fehezina izay voalaza izay dia izao:

Ny tena atao hoe manana finoana, araka ny voalazan’ny tenin’Andriamanitra dia mazava ho azy manana asa, miasa, manao fanompoana. Satria tsy finoana ny finoana raha tsy misy asa, na misy fanompoana ao anatiny. Izany hoe, ny finoana dia toy ny ivon-toerana ipetrahan’ny asa na ny fanompoana ary toetra/caracteristique mamaritra ny maha-Izy azy na ny fiziany. Ny tsy fisian’izany asa/fanompoana izany, dia mahafaty ny fanompoana amin’ny fotoana ankehitriny, ary isan’andro isan’andro. Tsy azo lazaina manam-pinoana izany ny olona, raha tsy asehony amin’ny asany ety ivelany izany finoana izany.

Inona ary ilay asa izay voafaritr’izany finoana izany?

Dia ireo izay efa nambara teo amin’ny and. 15&16: (1) tsy mijery fotsiny ireo rahalahy, na anabavy tsy manan-kitafy amin’ny fahoriany isan’andro; (2) tsy manonona tso-drano na Fiadanana tsy arahina asa. Fa kosa, Mankato na manatanteraka ilay didy ambony indrindra dia ilay voalaza ao amin’ny Levitikosy 19:9 hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany no tena atao hoe manam-pinoana. Izany hoe, ny finoana an’i Jesosy izany dia miteraka ny asam-pitiavana na ny asa fanompoana ho an’ny namana na ny mpiara-belona.

Ao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka dia tena manazava be dia be an’io Jesosy, raha nanontany Azy ilay mpahay lalàna ny amin’izay tokony ataony mba handovany ny fiainana mandrakizay:

  • Navalin’i Jesosy azy ny voalazan’ny lalàna (Lev. 19:9)
  • Fa rehefa nanontany an’i Jesosy izy hoe: “iza ary no namako?” ► dia nanao ny fanoharana mahakasika ilay tantaran’ny Samaritana tsara Fanahy Izy:
  • Voalohany, ny “mpisorona” sy ny “Levita” dia niàla lavitra ilay maratra notafihin’ny Jiolahy. Eny fa na dia fantany loatra aza hevitry ny didy (Fitiavana an’Andriamanitra, sy Fitiavana ny namana tahaka ny tena). Raha jerena ny teny fototra milaza ny hoe “nandalo” dia tsy izay no tena lazainy fa “niampita”. Izany hoe, tsy hoe nolalovany fotsiny ilay maratra, fa niampita niàla alavitra ilay maratra izy ireo, satria voararan’ny lalàn’ny Jiosy ny fikasihana rà fa mampahaloto. Ka raha andeha hanao raharaham-piangonana izy ireo, dia tsy maintsy miàla alavitra io maratra io satria mampahaloto ny ratra. ► ny tenany no nojereny, noho ny fahatahorany an’Andriamanitra izay tsy miara-monina amin’ny maloto. Fa tsy mba nanana fangoraham-po, na onena an’ilay maratra akory izy ireo. Tsy nisy fiombonan’aina.
  • Raha mahakasika ilay “Samaritana” indray dia izao:

Nanatona ity maratra ity izy, fa tsy noraharahiany ny tsy fifankazahoana misy teo amin’izy ireo sy ny Jiosy. Ka na Jiosy izay fahavalony aza ity maratra ity, dia tsy nahasakana azy **Hikarakara azy izany***. (1) Nafoiny ny zavatra saro-bidy teo aminy: toy ny divay izay tena miantoka ny fiainany any am-pandehanana satria rehefa mandeha ny Jiosy di any divay no solon’ny rano fisotro, satria tsy azo antoka ny rano eny an-dalana. Tahaka izay ihany koa ny diloilo, izay saro-bidy satria iankinan’ny fampiretana afo hikarakarana ny sakafo. (2) nafoiny ihany koa ny volany: tsy vitan’ny nikarakara azy ihany ity Samaritana ity, fa nahafoy volabe (2 denaria= hofantrano 2 herinandro); ary mbola noteneniny aza hoe, karakarao izy fa na ohatrinona na ohatrinona laninao dia honerako rehefa amin’ny fiverenako. (3) nafoiny ihany koa ny fotoanany: tsy mba nataony ho zava-dehibe ny momba ny tenany, fa nampandeferiny hatramin’ny aton-diany. Laniny tamin’ny fikarakarana ilay maratra ny fotoanany, ary tsy hoe rehefa avy nateriny tany amin’ny tranom-bahiny ilay maratra, dia nilaozany, fa kosa ampitson’iny izy vao nandeha. Entina ilazana izany, fa tena miombom-po amin’ilay maratra ilay Samaritana.

Fehiny dia izao:

Tsy ampy ny hoe Kristiana fotsiny za, ary manam-pinoana za tahaka izay misy eto amin’ireto mpisorona sy Levita ireto hoe voafehin’ny ny lalàna. Fa ny tena finoana marina dia miseho amin’ny asa, satria izay no tena maha-izy azy ny finoana: misy asa, manana asa, itoeran’ny asa, misy fanompoana, itoeran’ny fanompoana. Zavatra roa tsy azo sarahina ireo, fa miombona ao anatin’ny finoana ny asa, ary ny asa dia mitoetra ao amin’ny finoana. Ka dia tsy mahagaga rehefa jerena ny dikan-teny hafa, raha milaza fa: “ny finoana tsy misy asa, na tsy itoeran’ny asa, na tsy misy fanompoana dia mamono tena/manohitra ny tenany. Ary tsy mahagaga raha oharin’ny Epistilin’ny Jakoba toy ny “vatana/tena tsy misy fanahy.” Ary ilay “asa” izay ambara eto, dia tsy inona fa ilay asa saro-bidy: toy ny fahariam-baovao, sy fanavotana ilay mpiara-belona amintsika. Satria io teny fototra nadika hoe “asa”  na “fanompoana” io dia nampiasana tamin’ny namoronan’Andriamanitra izao tontolo izao, sy ny namonjen’Andriamantira izao tontolo izao.

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo!

Entina amitsika Kristiana izao fampianarana izao, mba hametrahantsika ho laharam-pahamehana ny asa eo anivon’ny Fiangonana, eo anivon’ny ankohonana, ary indrindra indrindra eo anivon’ny fiaraha-monina. Araka ny voalaza ao amin’ny (2:15&16) dia tsy tokoony hijery ny namatsika fotsiny manoloana ny fahoriana izay manjo azy isika; ary tahaka izay koa no voalaza ao amin’ilay fampianarana mahakasika ilay Samarita tsara Fanahy teo. Mila aseho amin’ny alalan’ny asam-pitiavana ny Finoana ilay Andriamanitra Fitiavana. Ary ambaran’ny Soratra Masina fa tsy ampy ny milaza zavatra soa, na tso-drano fotsiny ho an’ny mpiara-belona, satria zava-poana ihany izany, raha tsy manampy, manompo, manolo-tanana azy ireo isika manoloana ny ady atrehiny. Ny tena Kristiana manam-pinoana marina izany, dia miseho amin’ny asany ny finoany, ny Fitiavany. Ary dia izay no atao hoe maharitra amin’ny tenin’i Kristy, sady velona amin’ny finoana

Facebook
OFF AIR
Retour en haut