I. FITARIHANTENY
Tamin’ny taona 2021 dia ny Nehemia no Boky lesontsika FLM ary ny Nehemia 2:18 hoe “… Ary aoka isika hitsangana ka handrafitra azy” no Faneva tamin’izany. Amin’ity taona 2022 ity indray dia ny Hagay no Boky lesona ary ny Hagay 2:4d hoe “… Ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy YHWH, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy YHWH, Tompon’ny maro…” no Faneva amin’izany. Tontolo ara-tantara biblika niombonana no nitenenan’ireo mpanompon’Andriamanitra roalahy ireo satria taranaka indray nihira izy: mitovy asa ministerialy, i.e., samy nampitondrainy hafatra ho an’ny Zanak’Israely izay avy niverina tamin’ny fahababoany tany Babylona avokoa. Ny fanarenana indray ny fireneny sy ny fiainam-pivavahany moa no hafatra izay nampitondraina azy ireo tamin’izany. Izany hoe, ny fiantsoana ny Zanak’Israely mba hanangana na handrafitra indray ny fireneny no misionany. Namporisika azy ireo mba hahatanteraka izany izy na dia tao anatin’ny fahasarotana samihafa sy ny fiatrehana ireo fahavalo izay nanodidina azy aza. Ny fampaherezana lehibe izay nambarany dia ny tenin’i YHWH taminy hoe “Izaho no momba anareo”.
Ny Hagay moa no Boky lesona izay misy ny Fanevantsika amin’ity taona 2022 ity. Araka izany dia izany no hojerentsika amin’izao fampianarana izao.
II. HAGAY: MPANORATRA
Ny Bokin’ny Hagay dia mirakitra ny teny faminanian’i Hagay. Noho izany dia ambaran’ny mpandinika maro fa izy tenany no nanoratra izany, na farafahakeliny olona iray izay nametraka izany teo am-bavany mba hampanan-kery izany. Miverina indroa ao amin’ny Bokin’i Ezra ny anarana hoe “Hagay” ary tao amin’ny tontolo izay namporisihana ny vahoaka Israely mba hanorina indray ny fireneny sy ny Tempolin’i YHWH tao Jerosalema no ahitana azy (jereo ny Ezra 5:1; 6:14).
Maromaro ny anarana miray foto-teny amin’ny hoe “Hagay” ao amin’ny Testamenta Taloha (T.T.). Ohatra, Haggi (Gen. 46:16), na Haggiah (1 Tan. 6:30), ary Haggith (2 Sam. 3:4). Ireo rehetra ireo dia miombona foto-teny hebreo hoe “Hag” avokoa ary “fety” na “fetim-pivavahana” no dikany ara-bakiteny. Ity voambolana ity dia mirakitra ao aminy ny fifaliana izay naseho tamin’ny fandihizana na fihobiana natao teny am-pandehanana / filaharana hamonjy fetim-pivavahana tao amin’ny Tempoly (1 Mpa. 8:65; 12:32–33; Sal. 118:27; Neh. 8:18). Noho izany rehetra izany, ny anarana hoe “Hagay” àry dia ahafahana misintona fa mety teraka tamin’ny “Andro Fety” izy. Mpandinika maro no maminavina fa mety ho ny “Fetin’ny Tabernakely” izany. Nantsoina ihany hoe “Fety” manko izany teo amin’ny Zanak’Israley fahizany (Neh. 8:14, 18; Sal. 81:3). Tsy teraka tamin’ny Andro Fety ihany Hagay fa mifamatotra amin’ny antso sy ny iraka ary votoatin-kafatra izay ampitondrain’i YHWH azy koa ny hevitr’izany anarana izany: Hanorina indray ny firenena izay miivo amin’ny Tempoly sy ny Fetim-pifaliana fanao tao noho ny fiarahamoniny Taminy sy ny fitahiany indray ny Zanak’Israely.
Tsy mba ambaran’ny Boky ny razana / tetiarana na ny loharanom-pianakaviana izay nihaviany satria tsy ambaran’ny Boky izany, eny na dia ao amin’ny Boky hafa izay hahitana izany anarana izany koa aza. Tsy mba tahaka an’i Amosa (vakio Amosa 1:1), dia tsy fantatra ny antsipirihany momba azy sy ny asany ary ny fiaimpiainany. Ny Boky fohy indrindra aorian’ny Obadia moa izy ao amin’ny T.T. satria dia Toko roa izay misy andininy 38 ihany no mandrafitra azy.
III. NY TONTOLO ARA-TANTARA SY NY FIKENDREN’NY BOKY
Araka izay efa natsidika teo ambony, Hagay dia isan’izay naminany tamin’ny vahoaka Israely avy niverina tamin’ny fahababoany tany Babylona. Namporisika ireo mpitondra azy (ara-panjakana sy ara-pivavahana) tamin’izany fotoana izany (Zerubbabel sy Joshua / Jesoa) sy ireo vahoaka mba hihevitra ny fanarenana indray ny toekarenany sy ny fifandraisany tamin’i YHWH tao amin’ny Tempoly izy, i.e., namporisika azy ireo hanorina indray ny Tempoly teo anivon’ny tanànan’i Jerosalema. Ny Tempoly moa no naneho ny maha izy azy manokana ny firenena Israely sy ny tanànan’i Jerosalema.
Ny fotoan’ny tantaran’ny Zanak’Israely izay raketin’ny Boky dia ny Taon-jato VI BCE; fiverenan’izy ireo avy tamin’ny fahababoana Babyloniana izany. Tamin’ny taona 539 BCE dia nandresy an’i Babylona ny Mpanjaka Perisana iray nantsoina hoe Cyrus Lehibe (559–530 BCE). Nandidy ny Babylona mba handefa ny Jiosy hiverina tany amin’ny taniny tany Palestina / Jerosalema ity Mpanjaka ity tamin’ny taona 538 BCE, ary rehefa tafaverina dia namporisika azy ireo mba hanangana indray ny Tempoly (Ezra 1–2). Tamin’izay fotoana izay dia niroso tokoa tamin’ny asa izy ireo kanefa teo am-panombohana izany dia nitsangana koa ireo fahavalo izay nanohitra azy (toy ny Samaritana). Niseho koa ireo fahasarotana samihafa toy ny fahantrana / mosary izay tsy nahafahany nanatanteraka izany (Ezra 3:1–4:5).
Tamin’izany fotoana izany koa dia mbola nitoetra tamin’ny endriny araka ny nandravan’ny Babyloniana azy tamin’ny 586 BCE i Jerosalema. Taona vitsy taorian’ny fiverenany avy tany Babylona dia nanorina indray ny tanàna sy ny fototry ny Tempoly ny vahoaka kanefa nijanona ho fototra ihany izany hatramin’ny andron-dry Hagay. Ry Hagay niaraka tamin-dry Zakaria àry dia niantso ny vahoaka mba hanao ho laharam-pahamehana / lohalaharana ny fanamboarana indray ny Tempoly satria toa samy variana tamin’ny fiharian-karenany sy ny fiaimpiainany andavanandro ary ny fanamboarana ny tranony avy ny vahoaka.
Tamin’ny taona 522–486 BCE, izay vanim-potoana naminanian’i Hagay, dia ny Mpanjaka iray nantsoina hoe Darius I no mpitondra ny fanjakana. Ny fanamarihana hoe “taona faharoan’i Darius” ao amin’ny Hagay 1:1 dia manondro mazava ny taona 520 BCE izay nanohizana indray ny fanamboarana ny Tempoly. Ny fiarovana sy ny fanohanan’i Darius I azy ireo moa dia niantoka betsaka ny fahavitan’ny Tempoly (Ezra 5–6). Vita tanteraka izany tamin’ny taona 515 BCE, kanefa dia tsy nahatratra ny voninahitra sy ny fahatsaran’ilay Tempoly voalohany tamin’ny andron’ny Solomona izany: sady kely no ratsy tarehy. Nahafaly azy ireo ny fahavitany kanefa nampitomany koa ireo zokinjokiny izay nahatadidy ny fahalehibeazana sy voninahitry ny Tempoly tamin’ny andron’i Solomona.
IV. NY FIRAFITRY NY BOKY
1. Fitarihanteny: Fahalainana Hanamboatra indray (1:1–2)
1.1. Vanim-Potoam-Paminaniana (1:1)
1.2. Ny Tontolo (1:2)
2. Hevero ny Làlanareo: Fahombiazana tsy Mamokatra (1:3–12)
2.1. Asa tsy Mahafa-po (1:3–11)
2.2. Valin-Teny Ankapobeny: Fankatoavana sy Tahotra (1:12)
3. Teny Fampanantenana sy Fandrosoana (1:13–15a)
3.1. Ny Teny Fampanantenan’i YHWH (1:13)
3.2. Valin-teny Matotra kokoa: Fanombohan’ny Asa (1:14–15a)
4. Ny Voninahitra Taloha sy Ankehitrin’ny Trano (1:15b–2:9)
4.1. Fampitahana ny Taloha sy ny Ankehitriny (1:15b–2:3)
4.2. Asa Natao teo am-Pibanjinana ny Lasa (2:4–5)
4.3. Ny Kisarin’ny Tranon’i YHWH izay Voaorina Indray (2:6–9)
5. Hevero ny Làlanareo: Ny Fahamasinana sy ny Fahalotoana; Fibebahana sy
Fitahiana (2:10–19)
5.1. Fahamasinana sy Fahalotoana (2:10–14)
5.2. Hevero ny Làlanareo mialohan’ny Fanombohan’ny Fanarenana Indray: Tsy
Fibebahana (2:15–17)
5.3. Hevero ny Làlanareo hatramin’ny Fiantombohan’ny Fanorenana Indray:
Hitahy Anareo Aho (2:18–19)
6. Zerubbabel: Ilay Mpitarika Voahositra (2:20–23)
6.1. Faharavan’ireo Fanjakana Manodidina (2:20 22)
6.2. Ny Kisarin’ny Tranon’i Davida Voaorina Indray (2:23)
V. IREO VENTIN-KEVITRA TEOLOJIKA FANALAHIDY
Mazava ny Ventin-kafatra Teolojikan’ny Hagay. Mizara roa izany amin’ny ankapobeny, dia ny fananganana indray ny Tempoly sy ny hevitr’izany ary ny fananganana indray ny Fanjakana Davidika.
5.1. Ny Fananganana Indray ny Tempoly
Zava-dehibe manondro ny maha izy azy ny firenena Jiosy sy ny tanànan’i Jerosalema ny Tempoly. Maro ireo voambolana izay ampiasain’ny Hagay mba hanondroana azy, toy ny hoe “Tranon’ny Tompo (heb. Bet Adonai)” (Hag. 1:2), “Trano ankasitrahan’Andriamanitra” (1:8), “ny Tranoko” (1:9), “ny Lapan’ny Tompo” (Palace [heb. Hekal, eng. Temple] of the Lord) (2:15). Ny fanorenana indray ny Tempoly dia fototry ny fanorenana indray ny firenena Israely sy ny maha izy azy ary ny fiaimpiainany vaovao eo anatrehan’Andriamanitra. Hamerina azy ireo indray ho tahaka ilay maha izy azy ireo sy ny fiaimpiainany tamin’ny vanim-potoan-dry Mosesy sy Josoa, ry Davida ary Solomona fahiny izany. Hamerina indray ny vahoaka Israely amin’ny fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra tahaka izay efa niainan’ireo razany fahiny izany teo ambany fitarihin’ireo mpitondra Karismatika, i.e., ho tahaka ny fiaimpiainan’ireo razany teo ambany fitondran’ireo mpitondra izay tena mpanompon’ Andriamanitra tokoa. Raha ny tena marina dia famerenana indray an’i YHWH ho tena Mpanjany izany.
Hagay manokana dia nahatsapa fa efa hadinon’ny Zanak’Israely ny asam-pamonjena / fanavotana lehibe izay nataon’Andriamanitra tamin’ireo razany fahiny, indrindra ny fanaovan’i YHWH izany ho ankehitrininy tamin’ny alalan’ny litorjia sy ireo fanatitra samihafa fanao tao amin’ny Tempoly. Hadinony ny maha vahoaky ny Fanjakan’Adnriamanitra azy ireo. Raha namporisika ny vahoaka hanorina indray ny Tempoly àry Hagay dia niteny fa tsy miankina tanteraka amin’ny asa polikan’ny Persiana na ny fiakaran’ny harin-karenan’ny Israley ihany ny fiadanany fa amin’ny fanatrehan’i YHWH eo anivon’izany politika sy ny fiarahamonina ary ny fiharian-karenany indrindra koa. Miankina amin’ny maha Mpanjakany an’i YHWH sy ny maha vahoakany azy ireo izany. Amin’ny fananany Azy ho Mpanjakany dia YHWH no manatanteraka izay rehetra tsy hain’ny olombelona sy ny fahaizany tanterahana.
Ny Tempoly izay hitan’i Hagay tao amin’ny faminaniany aza dia mihoatra lavatra noho ny famirapiratan’ny Tempolin’i Solomona ny voninahiny. Izany hoe, ny Tempoly any an-danitra izay nampahitana azy mihitsy no nampanantenainy ny vahoaka tamin’ny fampaherezany azy ireo. Ho kisary na symbolin’izany anefa ny Tempoly eto an-tany izay nanentanany azy ireo mafy ny fanamboarana azy indray (ampit. 2 Tant. 36:22–23).
Ny fananganana indray ny Tempoly àry dia manana hevitra ao ambadika ny fanavaozan’Andriamanitra tamin’izy ireo ny Fanekeny: Izy ho Andriamaniny (Mpanjakany) ary izy ireo kosa ho olony: vahoaka miombom-piainana Aminy (ampit. Jer. 30–31). Hanamarika ny fanatrehan’i YHWH eo anivon’ny fiarahamoniny sy ny fiaimpianany rehetra ny fisian’ny Tempoly eo (1:13; 2:4–5). Ny fahalovan’ny Tempoly na ny faharavan’izany àry dia midika ho faharavana na fahalovan’ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra koa, midika ho fahalovan’ny fiainpiainany rehetra, midika ho tsy fahamasinan’ny vahoaka mifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra izay maniry ny hiara-monina amin’izy ireo mandrakariva (2:14).
Ambaran’i Hagay fa “Andriamanitra ny maro” (YHWH TSEBAOTH: YHWH Tsitoha / Mahery; Andriamanitry ny Ady / Fandresena) i YHWH. Miverina in-14 izany amin’ireo andininy miisa 38 ao amin’ny Boky (oh. 1:2, 5, 7, 9, 14; 2:6, 7, 8, 9 [2 fois]; sns.). Ambaran’izany fa manam-pahefana sy hery tsy hain’olombelona tohaina Izy, eny na dia ny Teniny aza. Mifehy ny olona sy ny firenena / fiangonana amin’ny fiaimpiainany rehetra sy ny fiharian-karenany Izy. Ny fiainam-pahalovany na ny fahalotoan’izy ireo na ny tsy fifanarahan’izany fahamasinan’izy ireo amin’ny fahamasinan’Andriamanitra dia manafoana ny fiarahana monina Aminy ka mampihidy / mampikatona ny lanitra tsy handatsaka ny fitahiany amin’izy ireo (1:9–11; 2:17, 19; vakio koa ny 2:6–8). Ambarany amin’ny alalan’ny hevitr’izany Anarana izany fa Izy no mifehy sy mitondra ny fandehan’ny tantara sy ny voahary amin’ny vanim-potoana rehetra (1:10).
Amin’ny lafiny miabo anefa, ny fampahalalany izany maha Izy Azy fonosin’ny Anarany izany dia nataony mba ho famporisihana ny olona amin’ny asany rehetra (1:14; 2:4). Miteny amin’izy ireo izany fa Izy no tena Tompon’ny fahefana sy hery rehetra amin’ny fananganana ny firenena sy ny fiaimpiainany ary ny maha izy azy rehetra ka tsy misy izay tokony hatahorany na hampanahy azy amin’izany (2:20–23).
Te-hiara-monina / hiara-miaina amin’ny vahoakany amin’izany maha Izy Azy izany YHWH. Ny vahoaka izay miara-monina Aminy anefa dia tokony haneho ny voninahiny eo amin’ny fiaimpiainana sy ny maha izy azy ireo koa: izany fiaimpiainana maneho ny voninahitr’Andriamanitra izany no ankasitrahany (Hag. 1:8) ka fototry ny fitahiana azy ireo (2:19). Nampitondra teny an’i Hagay àry Izy mba hanentana ny vahoaka hiasa ao anaty fandrakofan’izany Voninahiny izany (1:14; vakio koa ny 1:7–8; 2:4–5). Ny risi-po hiasa ao anatin’ny fiarahamonina amin’Andriamanitra anefa dia teraky ny fananana fo mibebaka / vaovao araka an’Andriamanitra koa. Asa vokatry ny fahatsiarovana ny sarotra niainana tamin’ny lasa vokatry ny fisarahana Taminy sy ny risi-po ho amin’ny fiainam-baovao ao amin’ny Tompo izany (1:5–7; 2:15–19).
5.2. Ny Fanjakana Davidika
Ny fananganana indray ny Tempoly no fototry ny fananganana indray ny Firenena sy ny fiaimpiainana vokatry ny fiarahana monina amin’Andriamanitra. Lapa fonenan’ Andriamanitra miaraka amin’ny olony ety an-tany ny Tempoly. Ny fanorenana indray ny Tempoly àry dia midika fa fametrahana an’i YHWH ho hany Mpanjaka mpiahy / mpikarakara ny lafim-piainana rehetra sy mpiharo amin’ny fahavalo rehetra.
Ny Fanjakana Davidika no endrika sy symbolin’ny Fanjakan’Andriamanitra teto an-tany: nanana ireo Mpanjaka nifandimby izay Mpanompon’Andriamanitra izy ireo tamin’izany: YHWH anefa no tena Mpanjaka. Niainan’ny vahoaka tao anatin’ny fiadanana tsy nanam-paharoa izany tamin’ny fotoan’androny. Mifamatotra amin’ny Tempoly dia nampanantenain’Andriamanitra azy ireo tamin’ny alalan’ny teny izay nampitondrainy an’i Zakaria koa ohatra ny fiverenan’ny Fanjakana Davidika indray (ampit. Zak. 6:9–14): Zakaria moa dia mpaminany indray nihira tamin’i Hagay sy Malakia.
Ao amin’ny Teny fampanantenany àry dia nanambara ny Tompo fa hamerina indray ny “peratra” (i.e., ny fahefana) izay nesoriny tamin’ny taranaky Davida (Jer. 22:24–27), amin’ny Mpanjaka izay hofidiany hitondra azy ireo ho amin’izany Fanjakam-piadanana izany Izy. Tamin’izay fotoana izay, Kyrus na dia Mpanjaka Persiana aza, dia noheverina ho Ilay Mesia nampanantenaina na Ilay Mpanjaka Mpanompon’i YHWH (ampit. Isa. 45–56), izay mpandova an’i Davida (ampit. 1:1; 2:23).
Kristy Jesosy anefa no tena fahatanterahan’izany teny fampanantenana izay nampitondraina an’i Hagay izany. Ao amin’ny Testamenta Vaovao (T.V.) dia miombona ao amin’i Kristy Jesosy sy ny momba azy rehetra ny Fanjakan’ Andriamanitra sy ny Tempoly (ναός [naos]: ny Masina Indrindra). Izany hoe, Ilay Tempoly fihaonan’Andriamanitra amin’ny olony tao amin’ny Tenany sy ny Asany teo amin’ny Hazofijaliana Izy (vakio Epistily ho an’ny Hebreo). Ilay Mpanjaky ny Lanitra mpitondra ny Fanjakam-piadanan’Andriamanitra mandrakizay Izy, (Mat. 26:61; 27:40; Jao. 2:18–22; vakio koa ny Rom. 1:1–4; Lio. 3:27; sns.).
VI. HAGAY SY NY HAFANY HO AMIN’NY ANKEHITRINY
Fananganana indray ny firenena / Fiangonana mba hiainan’ny vahoaka ao anatin’ ny fiadanana araka an’Andriamanitra no fehin’ny hafatry ny Mpaminany Hagay. Ny fiainan’ny vahoaka amin’ny Fanekena izay ataon’Andriamanitra aminy no mahatanteraka izany. Izany hoe, ny faneken’ny vahoaka an’Andriamanitra ho mpiara-monina / miaina Aminy amin’ny fahamasinany, fahamarinany, sns.
Ny Fiangonana Kristiana no Tempoly fonenan’Andriamanitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenentsika ankehitriny. Azo lazaina fa miaina ao anatin’ny fahasarotana sy fahantrana lalina ny firenentsika ankehitriny, miaina ao anatin’ny fahalovana amin’ny endriny samihafa koa. Te-hampandresy antsika amin’izany, i.e., te-hanorina firenena iainan’ny vahoaka amin’izany fiadanana araka an’Andriamantira izany Izy matoa manorina eto amintsika koa ny Fiangonana.
Noho izany dia tokony ho tena Trano fonenan’Andriamanitra eto an-tany tokoa ny Fiangonana: ny heriny sy ny fahefany no tena manjaka ao, tena mpiara-monina / miaina Aminy ny Kristiana maro izay mandrafitra izany, izany hoe, masina, marina ary mahatoky tahaka Azy koa. Ankoatr’izany dia tena ho mpanompon’Andriamanitra Karismatika amin’ny maha solon-tenan’i Kristy tokoa azy isika olom-boafidy rehetra na ara-panjakana izany na ara-piangonana.
Na dia ao anatin’ny fahasarotana samihafa aza, amin’ny alalan’ny fankatoavana sy fahatahorana an’Andriamanitra izay atao ho present mandrakariva eo amin’ny fiarahamonina, dia tokony ho fototry sy loharanon’ny asa fampandrosoana ny firenena ny Fiangonana fa tsy fototry ny fahantrana vokatry ny fampanginana ihany ny fanaintainan’ny fahoriany amin’ny alalan’ny fampanantenana ihany ny lanitra ho azy. Ny fampandrosoana araka ny Baiboly dia tsy mifototra amin’ny fampanantenana mana avy any an-danitra intsony fa miainga amin’ny alalan’ny fanaovana an’Andriamanitra ho present eo amin’ny fiarahamonina sy ny fampiasana ny resources misy eo am-pelan-tànan’ny olona ary ny fampiasany amim-pahatokisana / fahamarinana ny fahaiza-manao / talenta / fanomezam-pahasoavana izay nomeny azy (ampit. Mat. 25:14–30; Efe. 2:10; vakio koa Jao. 6:1–15; sns.).
Tsy ny Fiangonana ihany fa ny Kristiana tsirairay koa dia Tempoly fonenan’ny Fanahy. Izany Kristiana Tempoly fonenan’ny Fanahy izany no ho marina sy mahatoky ary manao ny asa rehetra ho tsara (ampit. Gen. 2:15; Mat. 25:14–30; Efe. 2:10) ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny firenena. Raha izany tokoa dia hiaina amin’ny fiadanana tanteraka araka an’Andriamanitra ny Fiangonana sy ny firenentsika.
Amena!