SAHANASA FAMPANDROSOANA MAHAFAOBE Eny AMBANIVOHITRA eto Madagasikara
Ankapobeny:
- Fe-potoana I : 2009-2013
- Fe-potoana II : 2014-2018
- Isan’ny mpiasa : 48(F 21:43%, H 27: 57%)
- Foibe : Immeuble SALFA Andohalo Antananarivo
- Fampandrosoana mahafaobe
- Fambolena sy fiompiana –
- Fampianarana sy fanabeazana –
- Fahasalamana –
- Tontolo iainana
- Miralenta –
- Fampahefana ny rafitra FANILO
TANJONA ANKAPOBENY : Fandraisana anjara amin’ny fampahefana ny tantsaha vehivavy sy lehilahy amin’ny fanatsarana ny fiainany anaty tontolo iainana voakajy sy mirindra.
PAIK’ADY :
- Famporisihana ny fampidirana ny mponina iaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ireo dingana ara-pampandrosoana rehetra (Fanadihadiana, Famolavolana, Fanatanterahana, Fanaraha-maso …)
- Famporisihana ny fampandraisana anjara ny tantsaha vehivavy sy lehilahy sy ny fampisitrahana ara-drariny ny tombontsoa
- Fampahefana ireo lamina sy rafitra ifotony (Komity FANILO, Komitin’ny asa, Komitin’ny fotodrafitrasa, Mpanao asa antsitrapo.)
- Fanamorana ny fandraisan’ny Synoda ireo teknisiana maharitra)
- Fampitana fahalalana amin’ny teknisiana maharitra (STT) sy ireo MAFA Fampitana fahalalana andalan-tohatra (en cascade) Fanamorana ny fananganana foto-drafitrasa
- Fanamorana ny fanatanterahana loharanom-bola maharitra
NY TANTERAKA
- Toerana 330 nanatanterahana fanadihadiana eo ampiandohana Rafitra FANILO mitsangana sy miasa tamin’ny toerana 78
- MAFA 1.959 (V1.115, L884) voaray sy miasa
- Fanentanana sy fampiofana ary fanaovana tantsoroka ireo tantsaha (5504, F2597 H 2907)
- Loharanombola maharitra ataon’ny Fiangonana sy ny tantsaha (890) no tafatsangana
- Komitin’ny asa sy Komitin’ny Foto-drafitrasa eny ifotony miisa 219 sy Fikambanana tantsaha miisa 364 no tafatsangana sy miasa
- Fotodrafitrasa miisa 162 no tafatsangana : centres d’approvision-nement en intrants agricoles, micro barrages /réseaux hydrauliques, vitrines, fermes pilotes, couloirs de vaccination, GCV, bassins piscicoles, puits, salles de classe, latrines….)
NY FAMPANDROSOANA
FIVOARANA TSY ANKIATO MANKANY AMIN’NY TSARA KOKOA HATRANY